“Mandeha be ny resaka fa misy kolikoly eo anivon’ny fitantanana ny tanàna. Tale no miresaka an’izany. Roa volana lasa izay, misy olom-boafidy hoe tratra ambodiomby manao kolikoly. Tsy misy fanadihadiana momba an’izany”. Fanehoan-kevitry ny mpanolotsaina monisipaly eo anivon’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA), Ravololomanana Lalatiana, teny Analakely, omaly, ny amin’ny fitantanana […]
Other News
Adidy masina
Manao ny ainy tsy ho zavatra amin’ny fametrahana tantara eto amin’ny Firenena ny fitondram-panjakana, ankehitriny. Mitohy ny fametrahana ny fotodrafitrasa isan-karazany manerana ny lafivalon’ny Nosy. Tsy misy adino tokoa ny isam-paritra fa na an-tanàn-dehibe na ambanivohitra dia samy mahazo ny anjarany. Mitohy rahateo ny fiahiana ara-tsosialy sy ny fijerena […]
Fihaonana an-tampony eto Madagasikara : Mikendry ny hampihena ny fahantrana ny Sadc
Hotanterahina eto Antananarivo, manomboka ny 3 aogositra hatramin’ny 18 aogositra, ny fihaonana an-tampon’ny Sadc. Mifototra amin’ny sehatra maromaro ny ho votoatin’izany fivoriana izany. Eo ny fikendrena ny hampiroboroboana ny fitomboana ara-toekarena maharitra sy ara-drariny. Ny fampandrosoana eo amin’ny lafiny sosialy sy toekarena aty amin’ny faritra atsimon’i Afrika. Tafiditra ao anatin’izany […]
TSELATRA
Taksiborosy iray niharan’ny firehetana tao Brieville, 2 km tsy hidirana an’i Morarano Chrome, omaly tamin’ny 11 ora. Nitrangana olana teknika tampoka io fiara io. Niezaka nifehy ny afo ireo nanatri-maso saingy potika tanteraka ilay fiara. Tsy nisy naratra na aina nafoy. Niakatra fampanoavana omaly, ny pasitera iray nanaparitaka vaovao tsy voamarina […]
Saropody – Tanjombato: Efa-dahy nitam-basy nandroba 1 tapitrisa Ar
Niditra an-keriny tao amin’ ny tokantrano iray manamorona ny lalamby teny Saropody, Tanjombato, ny alin’ny talata 15 jolay teo, tamin’ny 11 ora sy sasany ireo olon-dratsy. Nilanja fitaovam-piadiana, tsy nisy nisaron-tava izy ireo. Nitaky ny vola tao an-trano sy nangorona ny entana sarobidy toy ny fahitalavitra. Niezaka nanda ny tompon-trano […]






