Nifamotoana tao an-dRenivohitry ny nosy Maorisy ireo tanora malagasy any an-toerana “Diaspora”, ny herinandro teo. Tafiditra amin’ilay hetsika andiany faharoa iarahana amin’ny MRS Association izany. Nivoitra tamin’ny fihaonana ny fanehoana ny fitiavan-tanindrazana. Nahomby amin’ny ankapobeny ity hetsika “Motivational Speech” ity. Nahavory tanora maherin’ny 40 izany fihaonambe izany. Anisan’izany ireo mpianatra […]
Other News
SOMBIM-BAOVAO
Vita ny fitaovana ahafahana manafana ny dobo filomanosana eny amin’ny ANS Ampefiloha. Efa azon’ny mpilomano atao, araka izany, ny milomano eny an-toerana amin’izao andro ririnina izao. Mandeha ny resaka fa manana vina ny hanova ny anaran’ny baolina kitra ho lasa « Football » fa tsy “Soccer”, ny filoham-pirenena Amerikanina ao Etazonia, Donald […]
Taranja Rugby malagasy : Mitrandraka mpilalao vaovao ny klioba Uscar
Notontosaina nanomboka omaly, tetsy Alarobia, ny fifantenana mpilalao izay hanatevana ny klioba rugby eo anivon’ ny kaominina, Uscar. Araka ny nambaran’ny filoha vaovaon’ ny klioba, Ramanoelina Herilaza na i Lesabotsy, tanjon’izy ireo amin’ity hetsika ity ny ho lasa tompondakan’i Madagasikara, amin’ny taom-pilalaovana ho avy io. Tsiahivina, ny taona 2010 no […]
Tsipy kanetibe : Nihintsana ny ekipan-dry Zigle
Tontosa omaly tao Soustons, France, ny dingana faharoa amin’ny fiadiana ny “Masters”, taranja tsipy kanetibe. Resy teo amin’ny ampahefa-dalana ny ekipa malagasy, nahitana an-dry Zigle sy Tiana ary Balôty. Lavon’ny ekipa Wild Card, tamin’ny isa 13 no ho 11 ry zalahy. Efa nitarika tamin’ny isa 9 no ho 1 ny […]
Muay Thai Oseana Indianina: Tafatsangana ny Kaomity, ao anatiny i Madagasikara
Tafiditra ao anatin’ny mpikambana mandrafitra ny Kaomity misahana ny taranja Muay Thai eto amin’ny ranomasimbe indianina ny Malagasy telo. Tontosa tany Maorisy izany ny faran’ny herinandro teo. Vaovao mahafaly ny fahavitan’ny fananganana ny Kaomity misahana ny taranja Muay Thai eto amin’ny ranomasimbe indianina, ny faran’ny herinandro teo. Tafiditra ao anatin’ny […]






