Other News

Masina…masina

Nandeha aloha izay ny fotoam-pivavahana. Samy niaiky ny rehetra fa ao amin’Andriamanitra aloha ny zava-drehetra. Vita izay, hiditra an-tsehatra ny maha olombelona. Efa namoaka tetiandro ny raiamandreny am-panahy. Herintaona be izao vao ho vita izany ka mifanandrify amin’ny fahataperan’ny tokony ho fotoam-pitondran’ny filoha lanim-bahoaka, Rajoelina Andry. Efa tapatapaky ny taona […]

MMM – Fikaonandoham-paritra: mitsipaka ny fampizarazarana ny Malagasy

Nitohy tany Sava indray ny fikaonandoham-paritry ny antoko Malagasy miara-mianga, ny herinandro teo. Ni­tondra ny heviny sy ny fahitany ny toe-draharaham-pirenena izy ireo tamin’izany. « Tsy azo ihodivirana ny fitsinjaram-pahefana tena izy miaraka amin’ny fizakan-tenan’­ ireo Faritra 24 ary tsy azo ekena ny fampizarazarana ny Malagasy. Niezaka ho amin’ny fampiraisam-pirenena ny […]

KMF/Cnoe: “Tokony hangarahara kokoa ny fikaonandoha”

Naneho ny heviny manoloana ny hirosoana amin’ny fikaonandoham-pirenena ny eo anivon’ny KMF/Cnoe. Nitodika manokana amin’ny FFKM izy ireo tamin’izany. “Mangataka ny FFKM izahay hisian’ny fangaraharana kokoa ny amin’ny fikaonandoham-pirenena: inona no ketrehina izao, inona ny zava-misy, ho aiza isika, ary fotoana manao ahoana, amin’ny fomba ahoana… ?”. Io ny fanehoan-kevitry ny filoha […]

Tselatra

 Nidina an-dalambe tetsy Anatihazo Isotry ny mponina, omaly maraina. Nandoro kodiarana teo amin’ny arabe izy ireo ka tapaka fotoana naharitra ny fifamoivoizana. Anton’izany ny fitakiana ny hamerenana ny sefo fokontany teo aloha sy ny fanesorana ny tomponandraikitra vaovao izay voatendry izy ireo. Nambaran’izy ireo hatrany fa tokony hirosoana ny fifidianana […]

Anosibe: mpanendaka roa lahy notanana am-ponja

Niakatra fampanaovana ny faran’ny herinandro teo, notanana vonjimaika ao amin’ny fonjan’Antanimora, ireo roa lahy sarona nanendaka teny Anosibe, ny alin’ny 14 jona teo. Mivezivezy eny amin’iny faritra iny amin’ny andro alina, mitonon-tena ho mpanao andrimasom-pokonolona, izy roa lahy, araka ny loharanom-baovao avy eo anivon’ny polisim-pirenena. Mpiasa nirava alina no lasibatr’izy […]