Other News

TARATRY ny KANTO

Hetsika famoaham-boky nosoratan’i Gaëtan Andria. « Pao-droa » sady antsa tononkalo no hianoka ao anatin’ny teatra poetika. Seho hotanterahina ao amin’ny efitrano Dox, Tranombokim-pirenena Anosy, ny sabotsy 12 jolay izao, manomboka amin’ny 2 ora tolakandro. Hanatanteraka izany i Mamisa, Fahasoa­vana, Mariah, Fy, Ando, Wany. Tafiditra ao anatin’ny fandaharam-pianarana eto Madagasikara ny taranja […]

Ranaivoson Lucien hitondra ny velakevitra : « Ny fanahin’ny kalon’ny fahiny sy ny hiran’ny omaly »

Efa nisy ilay notontosainy teny amin’ny Akademia Malagasy Tsimbazaza… Hanohy izany velakevitra izany, Ranaivoson Lucien ka hiompana amin’ny fanahy anaty kalon’ny fahiny sy hiran’ny omaly ny lohahevitra. Tafiditra ao anatin’ny fa­nohizana sy fanatevenana izany. Hanatan­teraka velakevitra lehibe nampitondraina ny lohahevitra « Ny fanahin’ny kalon’ny fahiny sy ny hiran’ny omaly », indray, Ranaivoson […]

Armel Patrick ! Nitsahatra tamin’ny maha miaramila azy ary nisafidy ny hanao mpandraharaha

Anisan’ireo mala­gasy tanora, fanta-daza amin’ny sehatrin’ny asa famoronana horonantsary fohy anaty tambajotran-tserasera, Face­book, Rasoa­nan­drasana Patrick Jocelyn, na i Armel Patrick. Nisy ny fanadihadiana izay natao taminy, omaly. Efa miroborobo tanteraka izao ny resaka horonantsary mahatsikaiky ao anaty tambajotran-tsera­sera, Facebook, amin’izao fotoana izao. Ao anatin’ireo Malagasy, misehatra amin’ izany asa famoronana […]

Zoza Sahondrafinina Zanany : Nomena ny mari-boninahi-pirenena

Heni-boninahitra… Mendrika ka nosalorana ny mari-boninahi-pirenena, Officier de l’Ordre National Malagasy i Zoza Sahon­dra­fi­nina Zanany, omaly. Fahavelony, efa nahazo ny Chevalier de l’ordre national Malagasy izy, ary nahazo ihany koa ny mari-boninahitry ny kanto, ny soratra ary ny kolontsaina. Ho fahatsiarovana ny zava-bitany teo amin’ny sehatry ny hiragasy no nanomezan’ny […]

« Mega live» : Hiray sehatra ao Mahamasina ireo ambasadaoron’ny Yas

Fampisehoana goavambe araka ny anarany no tanjona amin’ny « Mega live Yas ». Tarika malaza amin’izao fotoana avokoa ireo handray anjara. «Rahoviana no hisy fampisehoana iarahan’ireo ambasadaoron’ny Yas ireo ? » Fanontaniana nipetraka foana izay, isaky ny nisy fampahafantarana ireo mpanakanto voafidy ho ambasadaoron’ny Yas Madagascar. Efa noketrehina tao, ka voavaly ny fanontaniana ary […]