Other News

Rallye – Bangsean Grand Prix: handray anjara Razanakoto Iaro

Hotanterahina ny 5 sy ny 6 jolay ho avy izao, any Thaill­ande, ny Bangsean Grand Prix, dingana fahatelo hiadiana ny ho tompondakan’i Asie, amin’ny familiana fiarakodia (Grand Tourisme 4). Anisan’­ireo handray anjara ilay Malagasy mpanamory, Raza­na­koto Iaro ao amin’ny klioba Team Porsche B-Quick. Raha tsiahivina, mitana ny laharana faharoa vonjimaika, […]

FIBA 3X3 “World Cup”: ao anatin’ny 20 voalohany maneran-tany i Muriel sy i Livio

Na teo aza ny faharesen’ny ekipa malagasy tamin’ireo lalao 4 avy nataony, nandritra ny fiadiana ny amboara maneran-tany, taranja basikety 3×3, tafiditra anatin’ny 20 voalohany maneran-tany, i Muriel sy i Livio. Namoaka ny lisitr’ireo mpilalao 20 mendrika indrindra maneran-tany teo anivon’ny Fiba, omaly. Vaovao tsara ho an’ny Mala­gasy izany satria […]

Tsy afa-miala ny vahoaka  

Vita soa aman-tsara ny fety aman-danonana, nanamarihina ny fankalazana ny fetim-pirenena malagasy. Toy ny isan-taona, nisy hatrany ny zava-baovao manamarika izany. Miezaka rahateo ny hanaraka ny fivoaran’ny teknolojia Ramalagasy amin’ny endrika ivelany. Tsy miala lavitra ny fitsoky ny rivotra amin’ny jeopolitika maneran-tany kosa amin’ny votoatin’ny hetsika. Nahafapo aloha ny tolotra […]

Matso tetsy Mahamasina: niavaka ny filatroan’ny Tafika sinoa sy frantsay

Notanterahina omaly, teny amin’ny Kianja Barea Maha­masina, ny fankalazana ny faha-65 taona nitsingerenan’ny fahaleovantena malagasy sy nijoroan’ny Tafika malagasy. Efa mahazatra ny maro amin’ny fankalazana tahaka izao ny matso, saingy nampiavaka ny tamin’ity taona ity ny fisian’ireo Tafika vahiny nandray anjara tamin’izany. Anisan’izany ny an-dry zareo sinoa sy frantsay. Ainga […]

Filoha Rajoelina Andry: “Mitaky fanoloran-tena ny fampandrosoana”

“Ny fitiavan-tanindrazana mitarika fandrosoana” no lohahevitra fankalazana ny 26 jona. Hafatry ny filohan’ny Repoblika sady lehibe faratampon’ny Foloalindahy, Rajoelina Andry, kosa ny hoe: “Mitaky fanoloran-tena ny fampandrosoana”. “Mila fiaraha-mientana ny fampandrosoana ny firenena. Mitaky fanoloran-tena isan’andro izany, mitaky firaisan-tsaina sy fo. Satria iray tsy mivaky isika miaraka mampandroso an’i Madagasikara.” […]