Other News

DAKA AN-JORONY: Aza atao fy iraisana fa ho fy iraisan-(t)saina

Tontosa soa aman-tsara ny fifidianana izay ho filoha hi­tantana ny firaisan’ny mpanao gazety ara-panatanjahantena eto Madagasikara (UJSM). Nahazo filoha vaovao indray ny mpikirakira ny fampahalalam-baovao ara-panatanjahantena. Tsy mora ny asa miandry ny mpitantana amin’izao taom-piasana manaraka izao. Enga anie, ny ekipa miaraka aminy tsy hanao toy ny ranotrambo, be fiavy […]

Baolina kitra – « Ligue des champions d’Europe »: Anaram-boninahitra voalohany ho an’ny PSG

Nanakoako manerana an’i Eoropa sy izao tontolo izao mihitsy ny anaran’ny Paris St Germain, ny sabotsy alina teo. Voahosotra ho tompondakan’i Eoropa, taranja baolina kitra, ry zareo. Voalohany eo amin’ny tantarany no nahazoany izany ary izy irery no ekipa voalohany nahavita nanao isa tataka tamin’ny famaranana. Mipetraka ho tantara tsy […]

Minisitra Moustapha Marson Abdulah :Tsy manavaka taranjam- panatanjahantena ny MJS

Mandray fifaninanana iraisam-pirenena maro i Madagasikara, ankehitriny. Misy ihany koa ireo fifaninanana eto an-toerana amin’ny taranja hafa izay mizotra amin’izao fotoana izao. Manatrika izany hatrany ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena (MJS), Mousta­pha Marson Abdulah. Tsy manavaka taranja ara-panatanjahantena misy eto Madagasikara ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena (MJS), […]

Asa fanaovan-gazety: Lany ho filohan’ny UJSM i Alain Rabenaivo

Rabenaivo Alain Paul, mpikirakira ny fanatanjahantena ao amin’ny Gazetiko indray no lany hitantana ny Firaisan’ny mpanao gazety ara-panatanjahantena eto Madagascar (UJSM), ho an’ny taom-piasana manaraka. Vita ny sabotsy teo, tetsy amin’ ny Efitranon’ny Holafitry ny mpanao gazety Ambohidahy, ny fifidianana. 65 ireo mpikambana nanan-jo hifidy sy handatsa-bato tamin’izany. Nahazo vato […]

FANTINA sy FINTINA

Hivelatra kokoa amin’ny sehatra hafa ny fifandraisana eo amin’ i Madagasikara sy i Rosia. Anisan’ny nivoitra izany tamin’ny fihaonana teo amin’ny mpiraki-draharaha vonjimaika, i Alexeï Buriak, sy ny mpanolotsaina diplaomatika ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Patrick. Voaresaka koa ny fanamafisana ny fiaraha-miasan’ny firenena roa tonta. Nandray ny solontena eo anivon’ny Franko­fonia […]