Other News

Base Toliara : Manomboka ny famindrana fasana

Miverina ny fananganana ny fasan’ireo tompon-tany any amin’ny fokontany Tsiafanoka sy Beravy Antsoity, kaominina Tsianisiha, distrika Toliara II. Niato mantsy ny asa satria nihantona ny tetikasa Base Toliara nandritra ny 5 taona, saingy efa miverina amin’ny laoniny izany, ankehitriny. Mihazakazaka ny asa. No­fanin’ny tetikasa Base amin’ny fananganana rafi-trano sy ny […]

Fahaleovantenan’ny vehivavy: Hiara-kiasa ny CCIFM, GFEM ary ny WLM

Fifanaraham-piaraha-miasa telo sosona no vita sonia ny 16 mey, teny amin’ny Phare Ivandry, eo amin’ny Antenimieran’ny varotra sy ny indostria France-Madagascar (CCIFM) sy ny Vondron’ny vehivavy mpandraharaha eto Madagasikara (GFEM) ary ny ONG Women Lead Movement Madagascar (WLM). Kendrena ny hampiroboroboana ny miralenta, eo amin’ny lahy sy ny vavy, famerenana […]

Tapany avaratry ny Nosy : Miaro ny ala honko ny faritra sy ny kaominina

Miisa dimy ny faritra (Sofia, Diana, Sava, Analanjirofo ary Boeny) ao anatin’ny Vovonana fitantanana ny Faritra arovana (PFGap) Avarabe Lovainjafy. Anisan’ny sahanin’izy ireo ny fiarovana ny ala honko sy ny rohivoahary any an-toerana. Nohazavain’ny Talen’ny fotodrafitrasa sy ny fampandrosoana (DID) faritra Sofia, sady filoha lefitry ny PFGap Avarabe Lovainjafy, Fidèle […]

TARATRY ny KANTO

« Ny hasin’ny Teza eo amin’ny Betsileo ». io ny lohahevitry ny atrikasa karakarain’ny Mozean’ny Oniversiten’Antananarivo, izay hatao anio manomboka amin’ny 10 ora, eny amin’ny ICMAA Isoraka. Hizara fahalalana mandritra izany Rakotozafy Andriana avy any Kiangara, Andriamilanto (ben’ny Tanànan’i Sahatona) ary Rahajasoa, mpiresaka. Nosafidiana noho ny fifehezany ny lohahevitra izy ireo. Hotontosaina […]

Ho fampitiavana ny teatra: Holalaovina an-tsehatra ny « Iza no izy » ?

« Iza no izy » ? Tantara nosoratan’i Willy Rabarijaona. Holalaovina an-tsehatra, etsy amin’ny efitrano fanaovam-petin’ny Sekoly Sainte Famille Mahamasina, ny alahady 1 jona izao, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro. Tan­taram-pitiavana nanamarika ny vanim-potoanan’ny « tolona » tamin’ny taona 1947. Tazana ao anatiny ihany koa, anefa, ny hatsikana eny an-tsefantsefan’ny tantara. Ani­san’ny tanjona amin’izao seho […]