Other News

Fanina sy valalanina

  Mifamahofaho ny raharaham-pirenena raha zohiana lalina. Mipoipoitra ny toe-javamisy hafahafa. Tsy mazava ny tian’ny sasany havoaka sy hapoaka eto amin’ny tany sy ny firenena. Mifampiampanga ny samy henjana. Mifanilika andraikitra ny samy tompon’ny hery. Ny tena zava-doza, ilay vahoaka tsimandadiharona no fanina sy valalanina. Inona no tiana hahatongavana, maninona […]

Fahavitan-tena ara-tsakafo : Hanafatra trakitera ny fitondram-panjakana

Nitondra fanazavana momba ny toe-draharaham-pirenena ny filoha Rajoelina Andry, omaly. Anisan’ny nambarany, tamin’izany, ny hanavaozana ny tontolon’ny fambolena hanatrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo. Nasongadin’ny filohan’ny Repoblika fa hanafatra trakitera ny fanjakana hanatrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo, niainga amin’ilay lohahevitry ny fihaonana an-tampon’ny COI farany teo momba ny fanatsarana ny tontolon’ny fambolena. “Ha­tsangana […]

VAOVAO TAMBATRA

Nirongatra sady niparitaka ny andiam-balala taorian’ny rotsakorana tany amin’ny faritra Anösy. Nandray andraikitra avy hatrany ny minisitera Minae sy ny Ivonterana miady amin’ny valala (IFVM) ary ny FAO, nanomboka ny marsa teo. Nahatratra 1 460 ha ny velaran-tany notondrahina tamin’ny alalan’ny angidimby ary 2 200 ha ady an-tanety tany Amboasary. Liana amin’ny […]

Fampiasana ny niomerika: Hanova ny fijery sy ny fahaiza-manaon’ny Malagasy

Hapetraka isaky ny renivohi-paritany ireo ivontoeran’ny haitao ara-kajy mirindra (Digital Center). Hampivelatra ny fahaiza-manao niomerika eto an-toerana sy ho fampandrosoana ny olom-pirenena izany. Ireo ny vinan’i Mada­gasikara momba ny niomerika ho an’ny rehetra nandritra ny hetsika « Global Empower­ment Meeting (GEM 2025) », tany Harvard, ny alatsinainy sy talata teo. Novoaboasan’ny minisitry […]