Other News

SOMBIM-BAOVAO

Efa tonga any Maroc ireo delegasionina malagasy Barea Ladies, izay miatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja baolina kitra anaty efitrano «Futsal 2025», sokajy vehivavy. Tsiahivina fa miisa 18 mirahavavy izy ireo no nentin’ny mpanazatra, Manitriniaina Steve Princy. Hifandona amin’ny ekipa nasionaly senegaley moa izy ireo. Hiankina amin’ny lalaon’ny […]

Slalom Ranovisy : Chronomètre vaovao no ampiasaina

Hotanterahina eny amin’ny Circuit bout de piste Ivato, ny sabotsy 26 sy alahady 27 avrily ho avy izao, ny «Slalom Ranovisy». Fifaninanana ka­rakarain’ny klioba TMF izay dingana voalohany amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara. Fihaonana misantatra ny fandaharam-potoanan’ny Federation sport automobile malagasy (FSAM), tarihin’ny filoha vaovao Ra­bekoto Jeannot. Hiavaka ity […]

Volley-Mada U18 : Tompon’amboara ny ASI sy ny GNVB

Tontosa ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny Kianja mitafon’Ankorondrano, ny fiadiana ny amboaran’i Ma­dagasikara,taranja volley, ho an’ny sokajy latsaky ny 18 taona. Voahosotra ho tompon’amboara nandritra izany, ny ekipan’ny ASI, teo amin’ny sokajy lehilahy, rehefa nandresy ny GNVB tamin’ny seta 3 no ho 0 (25-14/25-16/25-15). Teo amin’ny sokajy vehivavy kosa, […]

Lalao ara-pirahalahiana: Mety hifampitana amin’ i RD Congo na i Togo ny Barea

Efa fantatra fa hanao lalao ara-pirahalahiana any France, i Madagasikara, ny volana jona io. Araka ny fanadihadiana natao, mety hifanandrina amin’ny Repoblika Demokratikan’i Congo (RDC) sy i Togo, i Madagasikara, mandritra ny « fenêtre Fifa » ho avy io. Raha ny filazan’ilay loharanom-baovao iray, omaly, mety hanao lalao ara-pirahalahiana amin’ny […]

VAOVAO TAMBATRA

Lany avokoa ny tahirin-tsolika teny amin’ny manodidin’Ambohitrarahaba sy Analamahitsy, omaly. Nananosarotra ny fitadiavana izany ho an’ny mpanjifa. Hatreto, tsy mbola nisy fanazavana mahakasika ny zava-nisy saingy nampitaraina ny rehetra izany, indrindra ho an’ireo tratra hariva. Ahina ho olan’ny famatsiana amin’izao vanim-potoana ny fety izao ny tranga niseho. Arahi-maso akaiky ny […]