Other News

Anjozorobe: Mponina 1 285 nisitraka rano fisotro madio

Antoky ny fampandrosoana ifotony ny fisitrahana rano fisotro madio. Nahazo ny anjarany, tamin’alalan’ny fi­kam­banana Amitié Mada­gascar Ile de France (Amif), ny fokontany Antanetibe, Ala­kamisy ary ny Lisea ao amin’ny distrikan’Anjozorobe. Notokanana tany an-toerana, ny alakamisy teo, ireo fotodrafitrasa goavana, ahitana fitahirizan-drano 15m 3, ny tambajotram-pamatsian-drano ho an’ireo paompy sy ho […]

« Spring meetings »: Hojerena ireo tombontsoam-pirenena

Tanterahana manomboka omaly, any Washington DC, ny fivoriambe karakarain’ny Tahirimbola iraisam-pirenena (FMI) sy ny filankevi-pitantanan’ny vondron’ny Banky iraisam-pirenena « Spring meetings». Fotoana iray hifanakalozana hevitra momba ireo tombontsoan’ny firenena tsirairay. Lohahevitra amin’ity andiany ity ny hoe «L’emploi: la voie de la prospérité ». Ho resahina manokana ny mahakasika ny toetry ny […]

FOJAEB andiany faharoa: Tanora afrikanina miara-manorina toekarena manga

Fototra iorenan’ny fampandrosoana ny toekarena manga ny tanora, amin’ny alalan’ny fandraharahana sy fandraisana andraikitra mifanaraka amin’ny filàn’ny firenena. Fandraharahana. Fototry ny fampandrosoana anio sy ho an’ny hoavy ny tanora. Nivoitra izany nandritra ny hetsika « Forum des jeunes africains sur l’économie bleue » (Fojaeb) andiany faharoa, tao Toliara, ny 17-19 avrily lasa […]

Harena an-kibon’ ny tany : Tsy araka ny tombantombana ny vidin’ny nikela

Tsy mitsaha-mitombo ny filana na ny tinady ny akora nikela eo amin’ny tsena. Eo koa ny fihenjanan’ny lafiny jeopolitika eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Akora fototra ilaina amin’ny fanamboarana bateria ho an’ny fiara elektrika ny nikela. Miakatra tsikelikely ny vidiny amin’ny ankapobeny. Mahatonga izany ny fitomboan’ny famokarana fiara elektrika sy ny […]

TARATRY ny KANTO

Tsy ampy fialamboly ny Malagasy? Ny fahamaroan’ny mpijery fety isaky ny andro tsy fiasana ve no hitarafana izany? Sao mba ilay na ireo mpanakanto no mahasarika? Fanontaniana tahaka izany no mivezivezy ao anatin’ny sain’ny olona maro isaky ny vanim-potoana hisian’ny fampisehoana an-tsehatra, etsy sy eroa. Fa tsy azo hodian-tsy hita […]