Other News

Tonga vahiny!

  Madio ny tanàna amin’izao? Milamina, tsy misy tabataba … Mahate honina fa tsy hoe lalovana fotsiny. Handray vahiny! Zava-dehibe eo amin’ny lafiny politika, toekarena, sosialy… Eny, na ny mampiavaka ny Malagasy amin’ny fandraisana vahiny ihany aza, tsy azo atao ambanin-javatra na ambin-javatra. Izay no nihetsehana sy nifanomezan-tanana. Vidin-kaja, vidim-bonahitra. […]

TSELATRA

Lehilahy iray 42 taona nangalatra fiara tetsy Andrononobe, omaly tamin’ny 4 ora maraina, voasambotra. Saika niharan’ny fitsaram-bahoaka izy raha tsy tonga haingana ny avy amin’ny polism-pirenena nisambotra azy. Mpanao fantson-drano ary monina eny Ambohitrarahaba ity raim-pianakaviana ity. Vehivavy iray nitondra moto, maty tsy tra-drano vokatry ny lozam-pifamoivoizana nahazo azy ny […]

Tsy fahazoana vatsim-pianarana : Nidina an-dalambe ireo mpianatr’i Maninday

Nitokona sy nidina an-dalambe, omaly, ireo mpianatra eo anivon’ny Oniversiten’i Maninday Toliara. Nilanja sorabaventy sy nandoro kodiarana noho ny fahatapahan’ny jiro ao amin’ny Campus, efa nandritra ny 5 andro, izy ireo. Teo koa ny tsy fahazoana vatsim-pianarana sy fampitaovana efa ho enim-bolana. Tanjon’ireo mpianatra ny hanairana ireo tomponandraikitra manoloana ny […]