Other News

Lozam-piarakodia : Dorkasy 12 indray naratra mafy

Nitrangana lozam-piarakodia indray tao Alakamisy Ambohi­maha, 21 km miala an’i Fianarantsoa, omaly atoandro. Dorkasy avy amin’ny FJKM avy any Alakamisy Itenina hamonjy fivoriana ao Ambohimasoa ireto tra-doza ireto. Voalazan’ny fampitam-baovao avy amin’ny zandary fa miisa 31 ireto vehivavy hamonjy fivoriana ireto ka ny 12 amin’izy ireo no tena naratra mafy, […]

Voatifitra tetsy Anosibe : Jiolahy roa saika hanendaka polisy

Nirefodrefotra ny basy teny Anosibe, boriborintany fahefatra, ny afakomaly alina. Maty tsy tra-drano ny olon-dratsy roa lahy mpanao fanafihana mitam-piadiana. Saika hanendaka polisy izy ireo. Lavo nandritra ny hetsika manokana nataon’ny ekipan’ny polisim-pirenena ny jiolahy roa teny Anosibe, afakomaly alina. Manoloana ny firongatry ny tsy fandriampahalemana eny amin’io faritra io […]

TARATRY NY KANTO

Miantso ireo mpanakanto te handray anjara amin’ny “Fetin’ny mozika 2026” ny IFM Analakely. Misokatra ny fisoratana anarana ho an’ireo mpanakanto na tarika te handray anjara, tsy anavahana gadona sy karazana mozika, ary tsy misy sokajin-taona ihany koa. Mila manana hira 03 fara-fahakeliny hatolotra anefa, ary vonona amin’ny fepetra rehetra takin’ny […]

Teny hoenti-mitaiza: Mamahan-dalitra ny taranaka ny zava-misy

Fiverenana eny an-doharano… Fiverenana any amin’ny fototra… Kanefa, na ny iray amin’ireo fototra sy loharano ireo aza tsy fantatry ny Malagasy sasany akory. Ani­san’izany ny teny. Teny hoenti-mampianatra sy manabe ny taranaka Malagasy, mbola indramina any Eorôpa. Fahiny, raha mbola tao anatin’ny vanim-potoanan’ny fanjanahantany i Madagasikara (Eco­le de médecine d’Antana­na­rivo, […]

Lomano-Afrikanina : Nanamontsana “record national” i Océane

Nahazo vokatra tsara ny Malagasy mpilomano miatrika ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, taranja lomano, tanterahina any Oran Alzeria, omaly. Nanamontsana ny zava-bita tsara indrindra na­sionaly, Rakotonanahary Océ­ane, teo amin’ny 100m Brasse ary tafapetraka teo amin’ny laharana fahatelo ka niambozona ny medaly alimo. “Re­cord” efa tamin’ny 35 taona lasa (1987) ity […]