Hiakatra 0,95 dolara na koa 4 160Ar ny sarany ambany amin’ny tolotra « internet mobile » 1Go manomboka ny 1 aprily. Tsy ara-dalàna intsony ny tolotra amban’io sarany vaovao io aorian’ny daty voatondro tahaka ireo tolotra misy amin’izao fotoana. Mbola latsaky ny 0,95 kosa ny vidin’ny internet mobile eto Madagasikara. […]
Other News
Tsenan’Andravoahangy: mizana 21 sy vato mizana maro nogiazana
Hentitra. Vato mizana manodidina ny 50 isa sy mizana 21 tsy ara-dalàna no nogiazana avy hatrany nandritra ny fidinana tampoka nataon’ny tomponandraikitry ny tsenan’Andravoahangy sy ny solontenan’ny mpitandro ny filaminana teny an-toerana, ny talata teo. Hetsika izay natao hiarovana ny mpanjifa sy ho fanamarinana ireo fitaovam-pandanjana samihafa. Mbola miparitaka eny […]
Tia tanindrazana hoe ?
Hanamarika ny andron’ny 29 marsa isika eto Madagasikara rahampitso. Andro manan-tantara tokoa mahakasika ny fiainam-pirenena sy ny tontolo iainan-dRamalagasy, ankehitriny. Tolona izay voalaza fa nanafahana teo ambany vahoan’ny mpanjanaka. Tolona namoizana ain’olona amana hetsiny. Tolona manamarika ny fitiavan-tanindrazana « tena izy ». 77 taona aty aoriana, manao ahoana ny […]
Trafika hazo « pachypodium » : teratany malagasy 3 sy sinoa 1 tratra
Sarona ny tambajotra mpanondrana antsokosoko ny zavamaniry jabihy (pachypodium). Any Azia, indrindra any Japana sy Thailandy ny firenena tena mpandray azy. Tratra teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato, ny karazan-kazo jabihy (pachypodium) miisa 891, ny 5 marsa teo. Teratany malagasy telo sy sinoa no voasambotra tamin’izany, ary notazonina vonjimaika any amin’ny fonjan’i […]
TSELATRA
Naratra mafy teo amin’ny faritra ambany heliny havanana ny raim-pianakaviana iray lasibatry ny fanendahana tao Ankadikely Ilafy, ny alatsinainy 25 marsa teo. Hamonjy fodiana hihazo ny vady aman-janany io lehilahy io no nifanehatra tampoka tamin’ny mpanendaka. Nitondra antsy maranitra ny mpandroba. Niezaka niala ireo olon-dratsy io raim-pianakaviana io saingy notrobaran’ireo […]