Other News

Lalao ara-pirahalahiana : resin’i Madagasikara 1 no ho 0 i Burundi

Tsara ny vokatra azon’ny ekipa malagasy Barea, tamin’ny lalao voalohan’ny “Fenêtre Fifa”. Nahazo fandresena nanoloana an’i Burundi izy ireo. Notanterahina; omaly, teny amin’ny kianja Barea Mahamasina ny lalao ara-pirahalahiana tafi­ditra amin’ny “Fenêtre Fifa”, karakarain’ny federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF). Resin’i Madagasikara tamin’ny isa 1 no ho 0 i Bu­rundi. Raha […]

INDRAY MIJERY

Mpilatsaka an-tsitrapo japoney miisa 3 nahatanteraka ny asany no nitodidoha any Japon. Nandritra ny herintaona sy tapany ny fampitana iraka nataony teto Madagasikara. Nanampy sy nanatsara ny fiainan’ny tantsaha, ny fanjarian-tsakafon’ny reny sy ny zaza ary ny fampiroboroboana ny harenan’ny olona, indrindra ny tanora, izy ireo. Nifampizara traikefa mahakasika ny […]

TARATRY ny KANTO

Niu Raza etsy amin’ny CCEsca Antanimena. Hotontosiana rahampitso indray ilay seho faharoa. Noho ny fangatahan’ireo mpankafy tsy nahatratra tapakila tamin’ny seho voalohany, ny alahady teo, no antony. Tsy hitovy tanteraka ny ny endri-tseho na ny hira alahatr’i Niu Raza, araka ny efa nampanantenainy. Ny ao amin’ny «Slam Suare», fikambanana ivondronan’ireo […]

Mitohy ny fankalazana ny faha-20 taona: hanasa ireo namany an-tsehatra ny TGC

«Tamin’ny voalohany», no nampisaloran’ny Tana Gospel Choir ilay seho fanombohana ny fanamarihana ny faha-20 taona nisiany. Nosafidian’izy ireo manokana tamin’izany ny Tranompokonolona Analakely, noho izy toerana niseharan’ny TGC voalohany. Nampanan­tena izy ireo nandritra io seho io fa hisesy ary ho maromaro, ny fampisehoana hanamarihana izany 20 taona an-tsehatra izany. “TGC […]

Faribolana Sandratra : hisy ny Zarafanahy manokana

Hiavaka ny anio ! Tsy tahaka ny nahazatra hatramin’izay ity Zarafanahy tanterahina etsy amin’ny Cercle Germano-malagasy (CGM-GZ) tohatohabaton’Antaninarenina ity. Hanomboka amin’ny 3 ora tolakandro ny antsa tononkalo ka mpanoratra 17 no indray hamelona eny an-tsehatra ny sanganasan’ny mpikambana ao amin’ny Faribolana Sandratra. Anisan’izany i Tsy Rofy, Elinivo, Fy Tsiky, Natiora […]