Nitohy tany amin’ny faritra Diana indray ny fikaonandoham-paritry ny antoko Malagasy miara-miainga, ny faran’ny herinandro teo. Nitondra soso-kevitra maromaro hoentina amin’ny fikaonandoham-pirenena izy ireo, tamin’izany. Nambaran’ny birao politika, i Volahaingo Marie Thérèse, fa hanolo-kevitra amin’ny fikaonandoham-pirenena izy ireo aorian’izao fidinana ifotony eny anivon’ny faritra izao. Nandray ireo soso-kevitra avy amin’ny […]
Other News
ALSA : Mivondrona hampandroso ny ligy tsirairay
Nampahafantarina ofisialy ny herinandro teo, teny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny fitsanganan’ny fikambanana Alsa (Alliance des ligues sportives d’Analamanga). Fikambanana hivondronan’ireo ligy amin’ny taranja misy eto Analamanga, izay tafatsangana ny volana avrily lasa teo. Tanjona amin’ny nananganana azy ny hifanampiana amin’ny fampandrosoana ny ligy tsirairay. Anisan’izany, ohatra, ny eo […]
Pureplay Football League : Manatombo ny Ajesaia sy ny CFFA
Notontosaina ny faran’ny herinandro teo, tetsy amin’ny Kianjan’ny CFFA Iavoloha, ny lalao manasa-dalan’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra “Pureplay Football League (PFL)”. Raha ho an’ny asabotsy teo, nahazo fandresena 1 no ho 0, teo anatrehan’ny Disciples FC Vakinankaratra, ny Ajesaia Bongolava. Baolina tokana tafiditr’i Nasa, irakiraka Ajesaia. […]
Sokajy «C» : Nohozongozonin’i Maroc i Brésil
Nivarahontsana izao tontolo izao nahita ny lalaon’ny Lion de l’Atlas, Maroc sy ny Seleçao, Bresil, ho an’ny vondrona «C». Efa saika difotra tany amin’ny faharesena ry zareo brezilianina. Nisaraka ady sahala ny roa tonta. Anisan’ny lalao be mpanaraka indrindra ho an’ity “Mondial 2026” ity ny fihaonana teo amin’ny Lion de […]






