Hentitra ny minisiteran’ny Varotra sy ny fanjifana (MinCC) manoloana ny trangana fahapoizinana ara-tsakafo azo amin’ny hena voahodina teto Antananarivo sy Antsirabe. Vokany, nisy ny fidinana ifotony nataon’ireo kaomisera sy tomponandraikitra tamin’ireo toeram-pivarotana lehibe (Grandes surfaces) manerana ny Nosy. Vokany, nahatratra 7 “caddy” ny “charcuterie” nogiazana sy atao fitiliana, tamina toeram-pivarotana […]
Other News
“Ranty Vokatra 2026” : Hahazo sehatra ireo orinasa tena madinika (MTPME)
Hotanterahina ny 24 sy 25 jona, ao Anjeva Gara, distrikan’Antananarivo Avaradrano, ny hetsika “Ranty Vokatra”, andiany fahenina. Hetsika karakarain’ny Antenimieran’ny varotra sy ny indostria eto Antananarivo (CCIA). Tanjona ny hanasongadina ny vokatra avy eto an-toerana sy hanamafisana ny fahafahan’ny orinasa tena madinika sy madinika ary salantsalany (MTPME) manitatra ny fiaraha-miasa […]
FANTINA sy FINTINA
Mikasa ny hitondra fanitsiana maromaro amin’ny tetibolam-panjakana ny depiote. Efa ao anatin’ny asam-baomiera izany izao ka anisan’ny hojerena ny momba ny fotodrafitrasa, ny fanohanana sosialy, ny hampiakarana ny tetibolan’ny minisitera. Eo koa ny tambin-karaman’ireo mpiasam-panjakana sy ny vatsim-pianarana ary ny vondrom-bahoakam-paritra. Nanambara ny depiote Rafidimanana Desiré (TMH) fa ho eo […]
Ady any Ukraine : Misy fiantraikany amin’ny kaontinanta afrikanina
Mitarazoka ny ady ifanaovan’i Rosia sy Ukraine. Anisan’ny mahatonga izany ny finiavan’ny mpitondra any amin’ity firenena farany ity hampitarazoka ny ady. Miteraka voka-dratsy ho an’ny firenena maro aty Afrika izany, toy ny lafiny toekarena, ny filaminana ara-tsakafo, ny resaka jeopolitika. Fositra mahatonga izany ny fifikiran’ny mpitondra okrainianina amin’ny toerany. Ny […]
Mila fitoniana
Hanao ahoana ihany ny ho fizotran’ny raharaham-pirenena amin’izao? Indrindra ny amin’ny fampanjakana ny fandriampahalemana sy ny fiainana amim-pitoniana… Tsy hoe tsy fisian’ny asan-jiolahy ihany izay, fa eo indrindra koa ny fitonian-tsaina amam-panahy andavanandro. Hanao ahoana ny fanatanterahana ny fikaonandoham-pirenena? Eo ny hoe miainga any ifotony eny anivon’ny fokontany. Toy […]






