Other News

INDRAY MIJERY

Natao tany Fenoarivo Atsinanana ny atrikasa fampiofanana ireo ekipa avy amin’ny foibe tily, niaraka amin’ny BNGRC sy ny UNICEF, faritra Analanjirofo, ny herinandro teo. Lohahevitra maromaro no noraisina nandritra ny fampiofana, ny mahakasika ny “WASH” sy “Nutrition” ary ny “GRC”. Nitsidika ny trano fonenan’ny mpianatra tao Barikadimy Toamasina, ny minisitry […]

Mpanao asa tanana: sahirana amin’ny fahitana akora fototra

Nitsidika ireo mpivarotra taozavatra malagasy, eny amin’ny vahilava Ambo­hitri­man­jaka, ny minisitry ny Fizahantany sy ny asa tanana, Randriaman­dranto Joël, ny volana febroary teo. Nitafa mivantana tamin’ireo mpanao asa tanana, sady nijery ny fomba entina hampiroboroboana ity seha-pihariana ity. Anisan’ny tena nampitaraina azy ireo ny fahazoana akora fototra tsara kalitao. Eo koa ny […]

Airtel Madagasikara: Tambajotra avy amin’ny zanabolana

Nampahafantarina omaly, ny tolotra vaovaon’ny Airtel Ma­dagasikara, ny tambajotram-pifandraisana amin’ny alalan’ny zanabolana, nomena ny anarana hoe « Airtel Satellite ». Nila­za ny tale ara-barotra Airtel Ma­dagasikara, Randria­manana Santatriniaina, fa misy ny fiaraha-miasa amin’ny orinasa mpamatsy tolotra avy amin’ny zanabolana. Ahazoan’ny mpanjifa tambajotra tena matanjaka izany hatrany amin’ny toerana tena lavitra, marin-toerana sady tsy […]

Harena an-kibon’ny tany : tafidina 17 800 dolara ny vidin’ny nikela

Tsy mitsahatra mitontongana ny vidin’ny nikela eo amin’ny tsena iraisam-pirenena, tato anatin’ny roa taona. Araka ny tarehimariky ny Tsena iraisam-pirenena ho an’ny harena an-kibon’ny tany any Londres (LME), efa nahatratra 32 000 dolara ny taonina ny faran’ny taona 2022, taorian’ny tranga Covid-19. Nidina tsikelikely izany, 26 000 dolara ny janoary […]

Airport council international: seranam-piaramanidina mendrika ny eto Antananarivo

Manana ny kalitao tsara omena ny mpandeha ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Antananarivo. Porofon’izany ny nahazoany fankasitrahana iraisam-pirenena nomen’ny Airport Council International World. Azon’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Antananarivo ny loka «seranam-piaramanidina mendrika indrindra ho an’ireo mandray mpandeha latsaky ny 2 tapitrisa» ho an’ny taona 2023, natolotry ny Airport Council International (ACI) World. Mitantana […]