Other News

VAOVAO TAMBATRA

Hamokatra zezika 36 000 hatramin’ny 50 000 t isan-taona amin’ny vidiny mirary, latsaky ny 10% raha oharina amin’ny vidiny maneran-tany ny orinasa ETG. Maro ihany koa ny tolotra omeny ny tantsaha, toy ny Urée, ny NPK, ny DAP. Marihina fa miantoka ny fahatsaran’ny vokatra ny fampiasana zezika tsara kalitao. Mitotaly 22 333 ireo […]

FEPA andiany faha-16: Ainga vao ho an’ny fiompiana eto amintsika

Hotanterahina ny 25 ka hatramin’ny 28 avrily, eny amin’ny Malagasy professionnel de l’élévage (MPE) Nanisana ny Tsenaben’ ny fiompiana sy ny vokatra azo avy aminy (FEPA), andiany faha-16. Ho hita eny an-toerana, mandritra ireo efatr’andro ireo, ny vokatra rehetra azo sy afaka entina hanatsarana ny fiompiana. Hisongadina manokana ireo toeram-pivarotana […]

Fifandraisana iraisam-pirenena: Ampirisihina ny fiaraha-miasan’i Afrika sy i Sina

Vonona hanampy ny firenena Afrikanina amin’ny fampandrosoana ny sehatry ny toekarena i Sina. Mila jerena manokana ireo sehatra mifanaraka amin’ny filan’ny firenena Afrikanina ao anatin’ny fanajana ny tombon­tsoan’ny firenena roa tonta. Mpiara-miasa akaiky amin’i Madagasikara ny firenena sinoa, indrindra amin’ny fampandrosoana ny sehatry ny toekarena. Voaresaka izany nandritra ny fihaonambe […]

TARATRY ny KANTO

Tafiditra anaty «Top 40» i Antsaly Rajoelina, nandritra ny «Miss Monde 2023». Tsy azo lazaina ho ratsy ny vokatra, amin’ny fifaninanana avo lenta iraisam-pirenena toa itony. 112 mantsy ireo tovovavy mpifaninana, izay samy niomana fatratra daholo, hisolontena ny fireneny. Tsy nitsanga-menatra ny «Miss Madagasikara», ary naharesy lahatra ny mpitsara ny […]

«Madagascourt Film Festival» : fantatra ny anaran’ireo ho mpitsara

Nampahafantarin’ny tomponandraikitra, mpikarakara ny «Madagascourt Film Festi­val» (MFF), omaly, ireo matihanina eo amin’ny tontolon’ny sarimihetsika, hofidina ho mpitsara mandritra ny MFF, andiany faha-19. Miisa enina mianadahy izy ireo, ahitana Malagasy. Anisan’ny fepetra fototra ny fiseharany sy ny fananany ny maha izy azy eo amin’ny tontolon’ny sarimihe­tsika. Anisan’ny hofantenana amin’izany i […]