Nankalazaina omaly, tetsy amin’ny Kianja masoandro, anatin’ny Rovan’i Madagasikara, ny lanonana ara-pomba ofisialin’ny Taom-baovao malagasy. Nahitana hetsika maro samihafa mahakasika izany avokoa ny vohitra rehetra teto Imerina. «Taom-baovao hamerenan-kasina ireo fomba amam-panao, entina hisaorana an’ Andriamanitra noho ny fitahiany, izay nomeny ny firenena sy ny mpitondra. Fotoana nahafahana mandravina ireo […]
Other News
FANTINA sy FINTINA
Hanaovana filankevitry ny minisitra manokana any Toamasina, ny volana avrily izao, araka ny nambaran’ny filoha Rajoelina Andry tany an-toerana, ny herinandro teo. Anisan’ny anton’izany ny faharatsian’ny fotodrafitrasa sy ny fahalotoan’ny tanàna ary ireo olana samihafa ao an-drenivohitry ny faritra Atsinanana. Manohy ny asa sosialy ataony ny depiote Tim, Andriamampandry Todisoa, […]
Firaisankina: hanao izay hahazoany fandresena
“Miarahaba manokana an’ireo voafidy tao anatin’ny maro mitondra ny fanevan’ny Firaisankina amin’izao fifidianana solombavambahoaka ho avy izao”, hoy ny filoha mpanorina ny antoko Tiako i Madagasikar (Tim) eo anivon’ny vondrona Firaisankina, teny Faravohitra, omaly, tamin’ny fampahafantarana ny andiany voalohany amin’ireo kandidà solombavambahoaka atolotry ny Tim amin’ny anaran’ny vondrona antoko politika […]
Mitady ho very !
Nankalaza ny Taom-baovao malagasy isika afakomaly sy omaly. Nahafinaritra sy nahavelombolo ery ny mahita ilay hoe: « an’ny tena ». Tsy nahoraka be toy ny fetim-bazaha akory na andro tsy fiasana, toy ny lanonan- dehibe. Ny zava-dehibe, manomboka mamerin-kasina tsikelikely izay mampiavaka azy ilay Malagasy. Indrindra ireo heverina fa manampahefana manokana […]
Razanamahasoa Christine : nanotrona azy hatrany ny masoivoho malagasy ao Paris
Tsy marina ny filazana fa tsy noraharahian’ny ambasady malagasy ao Paris ny delegasiona notarihin’ny filohan’ny Antenimierampirenena, Razanamahasoa Christine. Efa iray volana mialoha no nanomanana ny fikarakarana rehetra. Nitondra fanazavana momba ny fivahinianan’ny filohan’ny Antenimierampirenena, Razanamahasoa Christine tany Frantsa, ny masoivoho ao Paris. Nambaran’ny eo anivon’ny ambasady fa teo hatrany ny masoivohon’i […]