Other News

Taolagnaro – zep : hamokatra zana-trondro 5 tapitrisa isan-taona

Fanamby apetraky ny fanjakana ny hiadiana amin’ny tsy fanjarian-tsakafo sy ny hamorona asa ho an’ny tanora hampandrosoana ny toekarena isam-paritra. Napetraka ao Mana­tantely, kaominina Soanierana, distrika Taolagnaro, faritra Anosy, ny vatofototra an’ilay “zone d’émergence piscicole de (ZEP) Manatantely. Tetikasa entina hamokarana zana-trondro 5 tapitrisa isan-taona sady hiadiana amin’ny tsy fanjarian-tsakafo. […]

Fananantany : karatany 6 987 voazara tao Toamasina II

Laharam-pahamehan’ny fanjakana ny fizarana karatany ho an’ny Malagasy manerana ny Nosy entina hampandrosoana ny firenena. Karatany 6 987 no voazara ho an’ny mponina tao Toamasina II, ny faran’ny herinandro teo. Mitohy hatrany ny hetsika fizarana karatany sy bokin-tany ataon’ny fi­tondram-panjakana mane­rana ny Nosy. Anisan’ny nisitraka ny tetikasa ny faritra Atsina­nana. […]

Hetsika Tokobe : nanamafy firaisankina ny Zanak’Isandra

Nanatanteraka ny hetsika Tokobe tao Isorana ireo Zanak’Isandra, ny herinandro teo. Fotoana nanamafisan’izy ireo ny firaisankina. Vory lanona tao an-drenivohitry ny distrika ny solontenan’ny fokon­tany 104, mandrafitra ny kaominina 13 any an-toerana. Nanatrika ny hetsika Tokobe, notonto­saina ny faran’ny herinandro, izy ireo. “Porofoin­tsika fa mandala ny firaisan­kina sy ny fihavanana […]

INDRAY MIJERY

Nanajary ny zaridaina sy tokotany niaraka tamin’ ny mpiara-miasa rehetra, ny faran’ny herinandro teo, ho fanatsarana ny tontolo iainana eo anivon’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa ny ekipa notarihin’ny minisitra. Tamin’ny alalan’ny Tagna­maro no nitondrana ny hetsika izay ohatra tsara horaisina amin’ny fikajiana ny tontolo manodidina sy ny […]