Hiditra amin’ny andro fahatelo, anio, eny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny fifaninanana “Youzou Smatchin Orange”, andiany faha-10. Fifaninanana andraisan’ireo ekipa eny anivon’ny Oniversite izay ahitana sekoly ambony miisa 40. Nafana tanteraka ny andro roa voalohany, tonga marobe ny mpijery manohana ny ekipany. Ho an’ ireo andro roa voalohany, nafana avokoa […]
Other News
Lalao Afrikanina : Medaly volafotsy iray sy alimo enina azon’i Madagasikara
Medaly volafotsy iray sy alimo enina no azon’ny Malagasy atleta, mandritra ny lalao Afrikanina, andiany faha-13, atao any Accra, Ghana. Efa any an-toerana avokoa ny mpandray anjara. Tsara fanombohana ny mpibata fonjamby malagasy, omaly. Medaly alimo 3 sy volafotsy 1 no azon’i Madagasikara, teo amin’ity taranja ity, nandritra ny andro […]
TARATRY ny KANTO
Nahatanteraka ny fanambiny ny Quatuor & Squad! Tontosa tetsy amin’ny CCEsca Antanimena, ny faran’ny herinandro teo, ilay fampisehoana « Mifankatiavana ihany». Seho nahitana avy hatrany ilay fahaiza-mitendry zavamaneno sy mandrindra ny fampiarahana ny feon’izy ireo. Tamin’ny alalan’ny «lokanga» isan-karazany no nanatontosan’ny Quatuor & Squad izany. Hotohizana amin’ny alakamisy 14 marsa izao, ao […]
Tontolon’ny hira : nodimandry i Mika Kely Bassiste
Lavo ny andrarezina! Nodimandry, omaly, i Raoel Brice Mick Angelot, fantatra amin’ny solon’anarana Mika Kely Bassiste. Araka io, ny fitendrena gitara « basse » (gitara migobom-peo) no tena nahafantarana azy. Tarika sy mpanakanto maro manana ny lazany no nametrahan’i Mika Kely Bassiste ny dian-tanany. Anisan’izany ny tarika ‘Zay, Samoëla… Ankoatra ny fitendrena […]
«Temps fort théâtre» : nahasarika olona ny tropy Jeannette
Nosokafana, omaly, tao amin’ny Institut français Madagascar (IFM) Analakely, ilay hetsika «Temps fort théâtre», andiany voalohany. Ny tropy Jeannette, anisan’ny zokiny indrindra amin’ny filalaovana teatra eto Madagasikara no nisantatra izany tamin’ny alalan’ny fikaloana ireo hira teatraly nanana sy mbola manana ny maha izy azy ankehitriny. Fantatra fa anisan’ny mampiavaka ny […]