Other News

SOMBIM-BAOVAO

Mitohy hatrany ny fahombiazana ho an’ny klioban’ny Fosa Juniors FC Boeny. Resin’izy ireo, 2 no ho 1, ny TFFC Boeny, ny alahady lasa teo, tany Mahajanga. Tsiahivina fa ity no fifanandrinana miverina ho an’ny roa tonta, amin’ity fifanintsanam-pirenena”Pureplay Football League (PFL)”. Mety hisy moa ny fanovana ny rafi-pifanintsanana amin’ny PFL. […]

Pancrace-Mada : Nisongadina ny avy eto Analamanga

Tontosa, ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny Kianja mitafon’Ankorondrano, ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, taranja haiady Pancrace. Ligy telo (Ana­lamanga, Toamasina, Mahajanga) no nanana solontena, ka nisongadina, nandritra izany, ny ligin’Analamanga. Klioba anisan’ny nahazo medaly maro indrindra ny mpikatroka avy eo anivon’ny Tsunami, izay nahazo fandresena dimy tamin’ireo famaranana 12. […]

Tsipy kanetibe: Notoloran’ny Yas lelavola ny delegasiona malagasy

Noraisin’ny orinasa Yas, teny Andraharo, omaly, ireo ekipa nasionaly malagasy niaro ny voninahi-pirenena nandritra ny Mondial natao tany Dijon, ny 5-8 desambra lasa teo. Nitondra medaly roa ny Malagasy. Ho fankasitrahana ny zava-bitan’ireo delegasiona malagasy, izay nitondra medaly roa volamena sy volafotsy, nandritra ny fiadiana ny tompondaka maneran-tany, taranja tsipy […]

Andavakomby: Votsotra ny omby halatra

Raikitra ny fifandonana teo amin’ny Tafika sy ny dahalo nandritra ny fanarahan-dia omby halatra, tao amin’ny amin’ny kizon’Andavakomby, afakomaly. Nahitana trangana tsy fandriampahalemana tao amin’ny fokontany Betsako, kaominina ambanivohitr’i Tsingimavo, distrikan’i Morafenobe, ny 9 desambra 2024 teo. Andian-dahalo mirongo fitaovam-piadiana mahery vaika no namoaka antsokosoko ny omby miisa 65 tao […]