Efa raikitra ny fitakiana sy ny tsy fahafaliana manoloana ny voka-pifidianana. Sambany tao amin’ny kaominina Mahambo no mba naneho ny firaisankinany ireo kandidà avy amin’ny firehana samihafa tamin’ny fifidianana ben’ny Tanàna farany teo. Anisan’ny niombon-kevitra sy niara-dia amin’ny kandidà tsy miankina ny kandidà laharana faharoa, avy amin’ny antokon’ny fitondrana Irmar. […]
Other News
Baolina kitra –« U15 Océan Indien » : Nomontsanin’ny Barea ny ekipan’i Seychelles
Notontosaina, omaly, teny amin’ny kianja Elgeco Plus by-pass, ny andro voalohany amin’ny fifaninanana aty amin’ny ranomasimbe Indianina, sokajy zandriny U15, lahy sy vavy. Nisongadina tanteraka ny ekipa nasionaly malagasy, lehilahy sy vehivavy, samy nanamontsana ny ekipam-pirenen’i Seychelles, tamin’ny isa 7 no ho 0 avokoa. Nanaovan’izy ireo fampisehoana ny fihaonana. Porofon’izany […]
Coalition faim zéro: Hifampizara traikefa ireo mpikambana
Tanterahina eto Madagasikara mandritra ny dimy andro, ny 16 ka hatramin’ny 20 desambra, ny atrikasa hanafainganana ny fanavaozana ny rafitra ara-tsakafo manerana an’i Afrika, izay misy ny Vondrona firenena manohitra ny mosary (Coalition faim zéro). Mpikambana ao i Bénin, ny Repoblika demokratikan’i Kongo (RDC) ary i Madagasikara. Hetsika hanamafisana ny […]
Fiovaovan’ny toetr’andro: Tohanan’ny Soisy ireo mpamokatra Cacao
Mitondra ny anjara birikiny amin’ny fampiroboroboana ny famokarana Cacao ny masoivohon’i Soisy eto Madagasikara. Tohana amin’ny alalan’ny tetikasa fampiofanana sy fanavaozana izany. Nahafahana nampihatra ireo teknikam-pambolena lovainjafy ny fiaraha-miasan’ireo Soisy mpikaroka sy ireo fikambanana eto an-toerana. Tanjona ny hanatsarana sy hampaharitra ny kalitaon’ny vokatra. Ianarany ao anatin’izay ireo fomba fanao […]
Hampiroborobo ny famokarana angovo: Velaran-tany 50 ha nambolen-kazo ao Andekaleka
Ny ala, antoky ny rano sy ny angovo, io no lohahevitra nanokafana ny taom-pambolen-kazo 2024-2025, tao amin’ny kaominina Andekaleka, distrikan’i Brickaville, faritra Atsinanana, omaly. Miisa 80 000 ireo zana-kazo novolena tamina velaran-tany 50 ha mba hiarovana ny tontolo iainana sy hahafahana mamokatra angovo amin’ny alalan’ny riandrano ao Andekaleka. Tanjona ny hamatsiana […]






