Tra-tehaka ireo miaramila dimy lahy sy ny sivily valo mpiray tsikombakomba mpanao fanafihana mitam-piadiana. Nandroba volabe 73 tapitrisa Ar, teny Ambodihady izy ireo tamin’ny 20 avrily, lasa teo. Taorian’ny fanadihadiana sy ny fikarohana nataon’ ny eo anivon’ny zandarimariam-pirenena, olon-tsotra miisa valo sy miaramila dimy no efa voasambotra hatramin’izao fotoana izao. […]
Other News
Taorian’ny « Pitik’afon-kabary » : Namoaka ny boky kabary « Aharihary » i Ny Rian’ala
Tsy toy ny boky kabary rehetra! Izay no azo ilazana ny boky Aharihary, nosoratan-dRamarolahy Maholy Nirilala na Ny Rian’ala. Navoaka tamin’ny fomba ofisialy, teny amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy, nandritra ny famaranana ny «Tsenaben’ny boky», ny sabotsy teo, ity boky kabary hafa amin’ny boky rehetra mirakitra ny fomba sy ny fanao nentin-drazana […]
Ba gasy mazia romotra : Nametraka ny toerany ny Zandry Gasy
Katroka ny tamin’ny 3 ora, niakatra ny sehatra ireo mpitendry. Vaovao amin’ny mpankafy satria tsy Zandry Gasy izy ireo, saingy nantsoina manokana handoko iny seho omaly, tao amin’ny CCesca Antanimena iny. «Afindrafindrao» natao sodina, angorodao, lokanga sy amponga, nampiditra sy nanome ny lokon’ny seho… avy dia ny «Kidaombaramita» no nanohizan’ny […]
Judo-Afrika : Nahazo medaly alimo Rasoanaivo Laura
Medaly tokana tamin’ny alalan-dRasoanaivo Razafy Aina Laura, no norombahin’ny delegasiona malagasy niatrika ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, natao tany Nairobi Kenya, ny faran’ny herinandro teo. Medaly alimo io azon’i Laura io, teo amin’ny sokajy latsaky ny 70kg, rehefa nandavo ilay teratany alzeriana, i Rezoug Amina, izy teo amin’ny fiadiana ny […]
Hazakazaka Firaisankina – La vache qui rit : Voalohany i Alain sy Ralisinirina
Tontosa omaly, teto Antananarivo, ny hazakazaka Firaisankina, nokarakarain’ny Federasionina malagasin’ny atletisma (FMA), niarahana tamin’ny Somadis sy ny La vache qui rit. Nandrombaka ny laharana voalohany, teo amin’ny halavirana 15 km, sokajy sénior, lehilahy, Ratsiorisoa Alain, narahin-dRebiby ary fahatelo Andrianina Aina. Teo amin’ny vehivavy, nandrombaka ny fandresena Ralisinirina Marthe. Faharoa, Rasolohelimanana […]






