Tra-tehaka ireo miaramila dimy lahy sy ny sivily valo mpiray tsikombakomba mpanao fanafihana mitam-piadiana. Nandroba volabe 73 tapitrisa Ar, teny Ambodihady izy ireo tamin’ny 20 avrily, lasa teo.
Taorian’ny fanadihadiana sy ny fikarohana nataon’ ny eo anivon’ny zandarimariam-pirenena, olon-tsotra miisa valo sy miaramila dimy no efa voasambotra hatramin’izao fotoana izao. Niampy fiara Kia sy moto telo, basy PA Makarov miaraka amin’ny bala 8 ary vola 15 000 000 ariary. Mbola misy olona roa sy miaramila iray karohina hatramin’izao ary mbola an-dalam-pikarohana sy am-panaovana fanadihadiana ny zandarimaria, raha ny fanazavana voaray omaly. Tsiahivina fa lehilahy iray mpiasa amina tobin-tsolika iray handeha hanatitra vola any amin’ny banky no niharan’ny fanafihana mitam-piadiana tetsy akaikin’ny tetezan’Ambodihady, ny 20 avrily 2026 lasa teo. Miaramila miisa enina, nahitana kaporal roa, serzà-sefo roa, adjidà-sefo iray ary adjidà iray ireo nanatanteraka ny asa ratsy tamin’izany. Voaroba tamin’izany ny vola mitentina 73 000 000 Ar. Nitsoaka nihazo an’Ambohitrimanjaka ny lalan’izy ireo taorian’ny asa ratsy. Araka izay fanazavana izay ihany, mpamily mpanatitra solika tao amin’ilay mpaninjara solika no atidoha nikotrika io fanafihana io. Niarahany niasa tamin’ireo olona sy miaramila voalaza ireo. Miaramila niambina ny minisitry ny Fitsarana teo aloha ny iray amin’ireo voasambotra.
Manameloka ny fanitsakitsahana ny lalàna
Manameloka ny fanitsakitsahana ny lalàna sy ny tsy fanajana ny etika sy ny deontolojia mifehy ireo miaramila voarohiirohy ireo ny eo anivon’ny Fiadiadiana ny Fanavaozana ny Repoblika sy ny minisiteran’ny Foloalindahy ary ny Etamazaoron’ny Tafika, omaly, raha nanao fanambarana. Etsy ankilany, nanamafy kosa ny minisitry ny Fitsarana, Ernaivo Fanirisoa, fa tsy mpiambina manokana azy intsony ny adjidà iray voarohirohy tamin’iny fanafihana iny. Voalaza fa efa nitsahatra tsy niasa tamin’izany andraikitra izany intsony izy, niaraka tamin’ny fahataperan’ny governemanta teo aloha. Nohamafisin’izy ireo fa tsy tompon’andraikitra velively tamin’ny fihetsika sy tranga natao sy mety hataon’ ireo miaramila ivelan’ny asa ara-dalàna ampiandraiketina azy ireo ny fitondram-panjakana.
Mino




