Naratra voafira antsy teo amin’ny lohany ny zandary iray tao Ambohitsabo, Toliara, omaly maraina. Nandeha moto vao maraina ity mpitandro filaminana ity. Tsy nanampo na inona na inona, nifanehatra tampoka tamin’ny olon-dratsy izy. Nitondra famaky ireo mpandroba. Nidaroka sy nampiasa ny famaky teny aminy. Tratry ny be no ho vitsy […]
Other News
Resitory ny mpamily : Kamiaobe roa nifandona
Trano lehibe iray no notrongisin’ny kamiaobe iray feno entana tao amin’ny fokontany Beteheza, kaominina ambanivohitr’Analavory, distrikan’i Miarinarivo faritra Itasy (RN1), omaly maraina tamin’ny 4 ora sy 30 mn. Raha ny fampitam-baovao voaray avy amin’ny zandary, resintory tampoka teo ambony familiana ny mpamilin’ny kamiaobe iray tany amin’ny ankavanan-dalana ka nifatratra tamin’ny […]
Nandroba volabe tao anaty kamiao : polisim-pokontany nikotrika ny fanafihana
Polisim-pokontany na “quartier mobile” no atidoha nikotroka ny fanafihana kamiao tao Tsiroanomandidy. Nalevin’izy mirahalahy tao an-tokotany ny ampaham-bola nangalariny. Niaiky heloka fa nanome ny loharanom-baovao rehetra ka nahatontosa ny fanafihana kamiao iray ny andrimasom-pokonolona voasambotra tao Tsiazompaniry, kaominina Ambalanirana, distrikan’i Tsiroanomandidy, ny 7 oktobra teo. Niray tendro tamin’ny rahalahiny io […]






