Natao sonia ny 18 septambra 2024 teo, tany Paris, ny fifanarahana eo amin’ny Ofisim-pirenena misahana ny fizahantany eto Madagasikara sy ny kaompania Air France. Nandritra ny hetsika “Salon IFTM Top Résa” no nanatanterahana izany. Hanomboka hihatra amin’ ny taona 2025 ity fiaraha-miasa ity, araka ny voasoritra ao anaty drafitrasa stratejika. […]
Other News
Mirongatra ny doro tanety: May ny tanàna!
Toy ny isan-taona, fotoana mampirongatra ny doro tanety sy ny doro ala ny volana septambra sy oktobra toy izao, mandra-pahatonga ny oram-pahavaratra. Anisan’ny sasatry ny may ny eny Ankazobe, eto Analamanga. Araka ny efa notaterina teto, omaly, mirongatra ny afo manamorona ny lalam-pirenena fahefatra (RN 4), indrindra ny manodidina ny […]
TARATRY ny KANTO
«Eto ry lala» ! Hira sy tononkalo hotanterahina ny alahady 27 oktobra izao, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany, ao amin’ny Havoria Anosy. Seho tsy fahita tao anatin’ny taona maro. Hiaka-tsehatra ho an’ny hira ny tarika Ny Voamaintilany, i Benny ary i Voara (Tarika Fangia Kalo Gasy). Ratsifa sy Avelo Nidor […]
“Kafe literera” : hitafa amin’ny mpankafy azy i Johary Ravaloson
Tanterahina rahampitso, eny amin’ny trano famakiam-boky «Mille feuille» Ankorahotra, ny hetsika «Kafe literera», iarahana amin’ny mpanoratra Johary Ravaloson. Ny mahakasika ny boky «Fitiavana- Tanindrazana- Fozaorana» no resahina ao anatin’izany. Ankoatra izay, hisy ihany koa ny tafa sy fizarana atolotr’ity mpanoratra manana ny maha izy azy ity amin’ireo mpankafy azy eto […]
« Angaredona Mozika Festival »: hanokatra lalana ho an’ireo mpanakanto
Mozika miaina…Ilay mozika misy fanahy, iangalin’ny mpanakanto vory talenta ary raisin’ny mpankafy vonon-kivelatra no nanjaka nandritra ny « Angaredona Mozika Festival ». Nanokatra lalana ho an’ireo mpanakanto maro nandray anjara izany. Eny, vitsivitsy ny mpijery tonga. Fa ireo nanatrika kosa dia mpanjifa samy resy lahatra fa manan-karena ny mozika Malagasy. Nanomboka ny […]






