Other News

Resy tsy miady

  Anatin’ny fametrapetrahana ny rafitra isan’ambaratongany ny eny anivon’ny minisitera isan-tsokajiny, ankehitriny. Manomboka ny fanendrena olona amin’ny toerana samihafa. Midika izany fa efa miainga tsikelikely ny fampihodinana ny raharaham-pirenena anatiny. Efa mihazakazaka be rahateo ny momba ny fifandraisana any ivelany. Efa azo tsapain-tanana ny ezaka amin’ny lafiny diplaomasia sy ny […]

Fivoriambe Africa 50 : firenena afrikanina 28 nahazo famatsiam-bola

Notanterahana teto Madagasikara ny fivoriam-be iraisam-pirenena Africa 50. Fantatra fa firenena 28 nahazo famatsiam-bola. Misitraka izany ny tetikasa volobe. Tontosa omaly, teny amin’ny ivon-toerana fandraisana fivoriana iraisam-pirenena na CCI Ivato, ny Africa 50. Fivoriamben’ireo firenena mikambana ao anatin’ny vondrona. Manatrika izany ko any mpiara-miombon’antoka maro eo amin’ny sehatry ny fananganana […]

TSELATRA

Naratra mafy ny tanan’ny lehilahy iray nivoaka teny ivelan’ny fiara taksiborosy iray tao Ambatofotsy. Tsy fantatra izay nahazo azy fa navoakany ivelan’ny fiara ny tanany kanjo nifanehatra tamin’ny fiara ka potika tanteraka. Voatery nentina namonjy hopitaly izy. Tsy nisy noraisina ny tanany.

Nisitrika tao anaty kizo : voatifitra ireo dahalo mpaka an-keriny

Nitrangana fakana an-keriny ny 22 aogositra sy ny 5 septambra teo, tao amin’ny fokontany Mahatsinjo Sahalemaka, Ambohidratrimo. Avotra teo am-pelatanan’ireo olon-dratsy ireo olona nalaina an-keriny taorian’ny fanomezam-baovao sy ny fikarohana ireo zohy fieren’ireo dahalo. Nitohy hatrany ny fikarohana nataon’ny zandary ka tao anatin’izany no nahafantarana anaran’olona maromaro ahina ho tompon’antoka […]

Dahalo raindahiny : maty voatifitra i Lefaly sy Livakely

Maty rotiky ny balan’ny zandary tao Ambolotarakely, fokontany Mahasoratra, kaominina ambanivohitr’i Sabotsy Ambohitromby, distrikan’An­dra­masina, afakomaly misasakalina, ny dahalo roa fantatra amin’ny anarana hoe i Lefaly sy i Livakely. Avy nanafika sady nitondra omby ry zalahy tamin’io alina io. Niroso tamin’ny fanarahan-dia ny zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Andramasina, hanampy ny […]