Other News

Amoron’i Onilahy ; mampitombo ny velontena ny fiompiana trondro

Mizaka ny vokatry ny fiovaovan’ny toetr’andro ny mponina ao amin’ny faritra Amo­ron’i Onilahy, any atsimo andrefan’ny Nosy. Mivelona amin’ny fambolena ny ankamaroan’izy ireo saingy ambany ny fidiram-bolany. Antony mahatonga ny mponina mitady vahaolana maharitra am­piasana ny loharano any an-toerana. Nampiofanina mo­mba ny fiompiana trondro an-dobo sy fiompiana trondro an-tanimbary ireo […]

Seranan’Ivato : fampirantiana an-tsary ny Renivohitra

Ny omaly sy ny ankehitriny! Misy fampirantiana sary miavaka miisa 20 eny amin’ny seranam-piaramanidina iraisampirenena Ivato, nanomboka omaly hatramin’ny 20 novambra. Nomena ny lohahevitra « Oroka mamy ho an’Antananarivo » na « Bon baiser de Tana » ny hetsika. Miaraka mikarakara azy ny Fondation banky BOA, ny Ravinala Airports ary ny Cité des Fleurs, […]

Tetikasa Produir : hanomboka ny fanadiovana ny lakandrano C3

Tafiditra ao anatin’ny tetikasa Produir ny fanadiovana ny lakandrano C3. Ho vita amin’ny mai 2025 ny asa. Mirefy 12 km ny lakandrano C3. Miainga eny amin’ny honahona Ano­sibe, Andavamamba, 67 ha, Antohomadinika, hatrany amin’ny toby fitantanana ny fivoahan’ny rano eny Am­bodimita. Manatanteraka ny Tetikasa fampandrosoana ny tanàn-dehibe sy fiatrehana ny […]

SOMBIM-BAOVAO

Hanomboka anio, eto Antananarivo, ny Poule des As, fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara taranja baolina kitra, sokajy D2. Hampiantrano izany ny kianja Elgeco Plus stadium sy ny eny Ambohidratrimo. Ekipa efatra no hiady lohany dia ny FC Theo Sava, AS Avenir Androy, AS Fos Analanjirofo ary ny FCA Ilakaka. Hitohy […]

Baolina kitra: hatao ny volana febroary 2025 ny “Chan”

Araka ny tapaky ny Kaon­fe­derasiona afrikanin’ny baolina kitra, Caf, tany Nairobi Kenya, ny alatsinainy lasa teo, fantatra fa hatao ny volana febroary 2025 ny fifanintsanana “Chan 2024”. Ny 1 ka ha­tra­min’ny 28 febroary no ha­na­tanterahina izany, ary firenena telo no hampiantrano amin’ity andiany ity, dia i Ke­nya, Tanzanie ary i […]