Other News

Pnud-Ceni : hajoro ny komity hamaritra ny fiaraha-miasa

“Raha ny resaka nifanaovana sy nifanarahan’ny Ceni sy ny Pnud, hisy ny komity manokana hamariparitana izay heverina fa zavatra maika tokony hahazoana mifanome tanana”. Io ny fanazavan’ny mpampaka-tenin’ny Ceni, Andriamarotafika Soava, teny Alarobia, omaly, ny amin’ny fitsidihan’ny solontena maharitry ny Sampandraharahan’ny Firenena mikambana misahana ny fampandrosoana (Pnud) vaovao eto Madagasikara, […]

Vahaolana miainga ifotony

  Anisan’ny lohalisitra tamin’ny velirano nataon’ny filohan’ ny Repoblika ho an’i Madagasikara, ny taona 2018, ny mahakasika ny fandriampahalemana sy ny filaminana. Azo lazaina fa tratra ny tanjona tamin’ny ankapobeny. Nila­min­damina ny tanàna, indrindra ny tany ambanivohitra, nan­dritra ny fotoam-pitondrana voalohany. Ny teto an-dRenivohitra no nahitana tranga maromaro noho ny […]

Minisiteran’ny Fitsarana-Bianco : efa misy ny paikady hiadina amin’ny kolikoly

Am-periny ireo ezaka ataon’ny fitsarana sy ny Bianco, isanisany, mahakasika ny ady amin’ny kolikoly. Antenaina ny hisian’ny fiaraha-miasa sy hetsika ataon’ny roa tonta amin’izany. Tontosa omaly, teny amin’ ny foiben’ny minisiteran’ ny Fitsarana, Faravo­hitra, ny fitsidihana tamin’ny fomba fanajana, nataon’ny Tale jeneralin’ny Birao mahaleotena miady amin’ny kolikoly (Bianco), Razakamanantsoa Gabhy […]

Vaky trano: jiolahy saika matin’ny fitsaram-bahoaka

Tompon’antoka tamin’ny vaky trano niharo fandratrana olona, telo lahy sy vehivavy roa voasambotry ny polisim-pirenena miasa eo anivon’ny DSRP Sava, ny 8 septambra teo. Tra-tehaky ny fokonolona ireo olon-dratsy ikoizana amin’ny famakiana trano ao anatin’ny fokontany Ambodisatrana, kaominina Sambava, ireo. Nandray anjara mivantana tamin’ny fandrobana niseholany tao an-toerana avokoa izy […]

Afobe tao Toamasina: trano vato lehibe iray sy trano hazo enina may

Ankoatra ny asan-jiolahy, miseholany ao Toamasina, mandravarava koa, ny hain­trano. Tao anatin’ny 19 ora monja, trano maro no indray kila forehitra hohotohon’ny afo. Olona 30 mahery tsy manan-kialofana raha entana antapitrisany maro levon’ny afo miampy ny vola tahiry tao an-trano. Ny alatsinainy tolakandro teo, tamin’ny 2 ora, trano vato misy […]