Efa nahazo 3 tapitrisa Ar tamin’ny volabe notakiany tamin’ny ray aman-drenin’ilay zazavavy 6 taona natao takalonaina ireo mpaka an-keriny, tao Mahitsy, ny 16 mey teo. 11 mianadahy hatolotra ny fampanoavana. Saron’ny zandarimaria ireo olon-dratsy ka avotra soa aman-tsara ny zazavavy 6 taona takalonaina, tao amin’ny fokontany Masinandriana, kaominina Mahitsy, ny […]
Other News
Basikety – “Fiba 3×3 Women’s Series” : Nandresy an’i Mongolie ary resin’i Australie ny Ankoay
Tontosa ny faran’ny herinandro teo, tany Shanghai Chine, ny fifaninanana “Fiba 3X3 Women’s Series”, taranja basikety, nandraisan’ny Ankoay vehivavy anjara. Lalao roa no natrehan’izy 4 mirahavavy, nahitana an’i Sambatrarimiora, i Sydonie, i Sarobidy ary i Koloina. Raha hiverenana ny vokatra, nahazo fandresena iray sy faharesena iray i Madagasikara. Teo amin’ny […]
PFL – Disciples Fc : Any amin’ny manasa-dalana ny tongotra ilany
Efa tafita any amin’ny dingana manaraka ny tongotra ilan’ny Disciples Fc Vakinankaratra. Lavon’izy ireo tamin’ny isa 4 no ho 0 ny Fosa Juniors Fc Boeny, omaly, tao amin’ny kianja Rabemananjara Mahajanga. Fihaonana izay tafiditra anatin’ny lalao mandroson’ny ampahefa-dalan’ny Pureplay Football League (PFL). Raha hiverenana ny fihaonana teny an-toerana, nanindry tanteraka […]
Faribolana Sandratra Tsiroanomandidy: Nampirehetin’ny « Soron’afo » ny fitiavana…
Tanora ao anatin’ny hafanam-po, iray vina, iray tanjona. Zava-nisy sy niainanana nandritra ny antsa tononkalo « Soron’afo » niarahana tamin’ny Faribolana Sandratra Tsiroanomandidy ny sabotsy teo, tao amin’ny Cercle Germano Malagasy/Goethe-Zentrum Analakely.. Narehitry ny « Soron’afo » indray ilay fitiavana ny tononkalo sy ireo soa sy kanto tovozina ao aminy. Tahaka izany ihany koa […]
Chorale Maintimolaly Ambohitantely: Nosokafana, omaly, ny faha-45 taona
Alahadin’ny Paska taona 1981. Nanomboka nihira tao amin’ny fitandremana Ambohitantely ny Chorale Maintimolaly Ambohitantely na ny « CMA ». Nanakoako tamin’izany ny hira « Tsy voavaly », sanganasan’i Bessa sy « Meloka voavonjy » nosoratan’i R. Victor Andriamialy… Omaly, alahady 17 mey 2026, notanterahina teny an-toerana (FJKM Ambohitantely) ny fanompoam-pivavahana ho fanokafana ny faha-45 taonan’ity antoko […]






