Nahazahoana alalana ny hanapahana ireo hazo lehibe manamoron’Andasibe, taorian’ny fianjeran’ny hazo tamin’ny fiara nitondra mpizahatany, ka naharatran’ny mpandeha tao anatiny. Ny fikambanana Mitsinjo, ny Jirama ary ny kaominina Andasibe no nanao ny fangatahana tamin’ny fitantanam-paritry ny Tontolo iainana (Dredd) Alaotra Mangoro. Hatolotra ny kaominina hanaovana sy hanarenana fotodrafitrasa samihafa ireo […]
Other News
Fikaonandoha Indonezia-Afrika 2024 : fiaraha-miasan’i Madagasikara sy Indonezia
Vonona hiara-hiasa amin’ ny firenena indonezianina i Madagasikara. Hiompana amin’ny fampivelarana ny maha olona, ny fampiroboroboana ny indostria sy ny fanodinana ara-toekarena ary ny fahaiza-mitantana izany. Nandray anjara tamin’ny fikaonandoha Indonezia-Afrika (IAF) 2024, andiany faharoa ity ny minisitry ny Fambiroboroboana ny Indostria sy ny varotra (MIC), Ralambofiringa David. Nasongadiny tamin’ny […]
Tsy hery fa fanahy !
Mihazakazaka izaitsizy ny hazalambo atsy Anjozorobe ! Poa toa izay, rakotra miaramila ahitana Tafika sy zandary ny tanàna. Maherin’ny 400 raha ny tsilian-tsofina re ny vata-miaramila manao angaredona any an-toerana. Ry zalahy henjana amin’ny ady mafana vay no manao be midina, hoy ny mpilaza. Asa hanao ahoana ny vokatra ? Ny […]
« Autoroute » : mety handalo an’Andaingo ny soritra Anjozorobe-Toamasina
Mandeha ny asa fanamboarana ny arabe migodana « autoroute », ampahany Antananarivo-Anjozorobe. Efa tsinjo ny soritra amin’ny ampahany faharoa, Anjozorobe-Toamasina. Mahatratra 30 km ny lalana vita ravona amin’ny ampahany voalohany, amin’ny arabe migodana « autoroute », miainga eto Antananarivo mankany Anjozorobe mirefy 80 km. Nidina teny an-toerana ny minisitry ny Asa Vaventy […]
TSELATRA
Nalain’ny renim-pianakaviana iray ny vola rehetra teny am-pelatanan’ny reseverana taxi-be amin’ny zotra 133 mampitohy an’Itaosy Cité sy Analakely teny Andranonahoatra, omaly. Tsy nety hanome ny famerim-bolany ilay resevera fa nolazainy fa efa nomeny ny famerim-bola kanefa nanizingizina ilay renim-pianakaviana fa tsy mbola nandray izany. Vokany, lasa ny vola rehetra teny […]






