Eny amin’ny FLM Ambatonjara By-pass, indray, ny Tanora Masina Itaosy no hanatanteraka « concert » na fampisehoana an-tsehatra iray manontolo, ny alahady 8 septambra izao, manomboka amin’ny 2ora sy sasany tolakandro. Hifantoka amin’ny lohahevitra : « Matokia, mitsangana, miantso anao izy » (Mar. 10 :49b) ny seho. Marihina fa feno tanteraka ny fandaharam-potoanan’ny Tanora Masina Itaosy, […]
Other News
Ny soa fianatra: mirakitra tantara ny kihon-dalana
Voasokajy ho anisan’ireo firenena “tranainy” maneran-tany i Italia. Nandia tranga sy zava-nisy maro nolalovany tao anatin’ny fotoana naharitra. Fantatra fa ity firenena ity no manana tsiahy sy rakitra maro indrindra ho an’ny mponina ao an-toerana sy ho an’ny vahiny, raha momba ny tantara. Isaky ny kihon-dalana, na toerana na kianja […]
Diary Nofy: hisy fandaharana handrisihana ny vakiboky
“Tanjona ny fandrisihana ny ankizy amin’ny vakiboky. Mba hanatrarana izay no anton’ity fandaharana amin’ny onjam-peo ity”, hoy ny nambaran’i Oliva Rafetison, avy ao amin’ny Diary Nofy, nandritra ny fihaonana tamin’ny mpanao gazety, omaly, tetsy amin’ny Tranomboky monisipaly Analakely. “Koko & Friends” ny lohatenin’ny fandaharana, izay handeha ao amin’ ny onjam-peo […]
Tranomboky Analakely: nahasarika mpijery maro ny fampisehoana majika
Anisan’ny zavakanto mbola miezaka mametraka ny toerany, eto Madagasikara ny majika. Maro ny ezaka ataon’ny tomponandraikitra amin’izany. Efa manomboka mahita vokany ny mpikarakara ankehitriny, noho ny fitomboan’ireo mpankafy ny hetsika Tontosa omaly, teny amin’ ny Tranomboky monisipaly Analakely ny “Scene Ouverte Magie”. Hetsika karakarain’ny avy eo anivon’ny Tranomboky monisipaly sy […]
Fotoanan’ny famadihana: mihena isan-taona ny fanjifana ireo fitaovana ampiasain’ny mpamadika
Amin’izao fotoana izao, mbola tafiditra tsara ao anatin’ ny vanim-potoanan’ny famadihana ny eto Madagasikara. Ny volana aogositra hatramin’ny oktobra no fotoana tena mahabe mpamadika eto amin’ny Nosy. Somary nihena ny fanjifana ny tsihy sy ny lambamena eny an-tsena. Famonosan-damba vaovao na famindrana toerana ny razana no antsoina hoe famadihana, araka […]






