Other News

Famokarana fary: hojerena haingana ny vahaolana

«Tsy maintsy jerena faran’izay haingana ny hampihodinana ny orinasa mpamokatra siramamy ao Brickaville”, hoy ny minisitry ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra (Mic), Ralambofiringa David, nandritra ny fidinana tany amin’ny faritra Atsinanana, ny herinandro teo. Nijery ny olan’ny orinasa mpamokatra siramamy sy nijery akaiky ny fiasan’ny orinasa, Odof, ao […]

Antananarivo-Dubaï : mahazaka mpandeha 1 400 isan-kerinandro

Hampiova tanteraka ny tontolon’ny habakabaka eto amintsika ny kaompania Emirates. Mpandeha 360 isaky ny sidina inefatra, isan-kerinandro, no taterina, mampitohy mivantana an’i Dubaï-Antananarivo. Nigadona voalohany teny amin’ny serananam-piaramanidina Ivato Antananarivo, omaly, tamin’ny 3 ora sy sasany tolakandro, ny fiaramanidina Boeing 777-300ER an’ny kaompania Emirates. Nitsena azy ny filoha Rajoelina Andry […]

SOMBIM-BAOVAO

Hotanterahina anio, eny Soavina Atmosphère, ny fifanintsanan’ny Nosy, «Island Cup», taranja tenisy anaty efitrano «padel». Firenena telo moa no handray anjara amin’izany, i Madagasikara, mpampiantrano, i Maurice ary La Réunion. Tsiahivina fa i Maurice no hifanandrina amin’ireo Malagasy mpilalao voalohany. Handeha mivantana amin’ny Televiziona Malagasy (TVM) ny lalao baolina kitra […]

Faha-15 taonan’ny AT2B: homarihina amin’ny “Fety de Baskety e!” miavaka

“Sady mifety no manao basikety”, araka io teny faneva io, hafana indray ity andiany manokana amin’ny “Fety de Basikety e!” ity, izay hankalazana ny faha-15 taonan’ny AT2B (Andraisoro tia basket-ball). Hetsika hotanterahina manomboka ny tapaky ny volana septambra izao. So­kajy 10 no handray anjara amin’izany, misy ny Seniors, lahy sy […]