Very zo tanteraka ny ankamaroan’ny mpiasa malagasy. Noho ny tsy fijerena ny lafiny ara-tsosialin’ny mpiasa sy ny tsy fanajana ny zon’izy ireo, hoy ny avy amin’ny fiaraha-midiniky ny mpiasa eto Madagasikara. 10 % amin’ny vahoaka tokony hiasa ihany no miasa eny anivon’ny sehatra manara-penitra eto Madagasikara. Izy ireo no mizaka […]
Other News
FANTINA sy FINTINA
Anisan’ireo handray anjara amin’ny fihaonambe “Sommet du forum sur la coopération Sino-Africaine – Focac”, hanomboka anio, any Pekin, ny filoha Rajoelina Andry. Efa manomana izany any an-toerana ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Rasata Rafaravavitafika, sy ny minisitry ny Fitantanam-bola, Rabarinirinarison Rindra Hasimbelo. Hanambara ny maha kandidà ben’ny Tanàna azy, Ravalomanana Marc, […]
Drafitry ny fitsinjaram-pahefana : hamorain’ny MFFT ny fanorenana fotodrafitrasa
Nisongadina tamin’ny fidinana ifotony nataon’ny minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany, Andriantsitohaina Naina, tany atsimon’ny Nosy, ny fampahatsiahivana ny drafi-pirenena momba ny fitsinjaram-pahefana miabo (PNDE). Nambarany fa manamafy ny ezaka efa natomboka ho amin’izany ny eo anivon’ny MFFT ho fanantaterahana ireo fandaharanasa amin’ny alalan’ny tetikasa Mionjo. Tafiditra ao […]
Tsy madio ivelany fotsiny
Miaina rivo-baovao i Madagasikara amin’izao fotoana izao, amin’ny lafiny fifandraisana iraisam-pirenena. Mihazakazaka ny fisokafana amin’ny any ivelany. Zava-dehibe ny fisian’ny sidina iraisam-pirenena samihafa izay nisy ny vao nisantatra izany, omaly. Aim-baovao amin’ny lafiny toekarena ny fisian’izy ireo. Hampiroborobo ny varotra, ny fizahantany, ny fandraharahana, sns. Tsy mijanona hatreo fa […]
Fikarakarana dosie firotsahan-kofidina : nohamorain’ny Ceni ny fifandraisana amin’ny kandidà
Anisan’ny ezaka tanterahin’ny Ceni amin’izao, hiatrehana ny fifidianana ben’ny Tanàna sy mpanolotsain’ny Tanàna ny fanamorana sy ny famahana olana. Napetraka, noho izany, ny laharana maitso hifandraisana amin’ireo kandidà. Tafiditra amin’ny fanamorana ny serasera sy ny fifandraisana amin’ireo kandidà ny nametrahana ny laharana maitso, amin’ny alalan’ny 034 30 810 01 eo […]






