Mampitairana ny mpandeha taxi-be ny fisian’ireo mpanera mivadika manao asan-jiolahy eo amin’ny fiantsonana eo an-tsenanan’Andoharanofotsy. Maro ireo mpandeha no milaza ho very finday amin’ny afitsok’ireo mpanera mody miantsoantso kanefa miray tsikombakomba amin’ny resevera. Mitangorona ny mpandeha satria mampifilafila rahateo ny taxi-be ka isan’ny mampirongatra ny mpanendaka. Raikitra indray ny doro […]
Other News
FAHARENDREHANA AN-dranomasina : olona iray tsy hita popoka
Mbola hitampitadiavana ny roa amin’ireo mpanjono rendrika an-dranomasina tao Ankoalamare fokontany Ambodiforaha Sainte Marie. Efa hita omaly kosa ny roa lahy. Ny alahady izy ireo no niainga kanjo izao tra-doza tampoka izao ny lakana nentin’izy ireo. Voalaza fa nofaohin’ny riaka ny lakana nentin’izy efa-dahy. Ny moteran’ilay vedety kosa no hitan’ny fokonolona […]
Behenjy – Ambatolampy : tratra ireo jiolahy mpandoro tanety
Voasambotry ny zandary avy ao amin’ny zana-tobim-paritra Behenjy ireo telo lahy voarohirohy ho tompon’antoka tamin’ny fandoroana ala sy tanety. Avy namonjy famadihana tao Anosinandriana fokontany Antsobolo kaominina Behenjy distrikan’Ambatolampy izy telo lahy ireto no manao fanahy iniana mandoro tanety, afakomaly maraina. Nifanindran-dalana tamin’io, nahazo antso ny zandary fa mirehitra ny […]
Soavinandriana : raim-pianakaviana iray maty voatifitry ny jiolahy
Namoy ny ainy ny raim-pianakaviana iray nandritra ny fanafihan-jiolahy nirongo fitaovam-piadiana mahery vaika tao Andrangy Soavinandriana Itasy ny alatsinainy alina teo. Naratra mafy, torana tsy nahatsiaro tena ny vadiny… Nitrangana fanafihana mitam-piadiana narahina vonoan’olona indray tao amin’ny kaominina Soavinandriana Itasy ny alatsinainy alina teo. Fianakaviana iray no niharan’ny fanafihan-jiolahy nirongo […]






