Other News

VAOVAO TAMBATRA

Nahazo lavadrano mandeha amin’ny herin’ny masoandro miisa 3 ny lemaka fambolena any Ambararata, distrika Manja, faritra Menabe. Mano­didina ny 10 000 ny tantsaha misitraka ity fotodrafitrasa ity, manondraka velaran-tany 360 ha rehefa tena ara-dalàna ny rano, raha 80 ha no voatondraka teo aloha. Avy amin’ny tetikasa AD2M, ao anatin’ny minisiteran’ny […]

Voly fanondrana: 30 000Ar ny kilaon’ ny lavanila maitso

Manomboka eo amin’ny 25 000Ar ka hatramin’ny 30 000Ar ny kilaon’ny lavanila maitso ao amin’ny faritra Sofia. Nihena ny vokatra tamin’ity taona ity saingy tsara ny kalitaony. Kaominina telo, ao amin’ny distrika Bealanana, kosa no misy ny tsenan’ny lavanila dia ny any Ambohimisondrotra sy Ambodisikidy ary Ambararata. Nidina ifotony tany amin’ny faritra […]

SOMBIM-BAOVAO

Ho fanomanana ireo mpilalao handimby ny Makis Ladies, hisy lalao fifantenana ho an’ireo ankizy la­tsaky ny 17 taona hatao etsy amin’ny Kianja Makis, ny 24 sy 25 aogositra ho avy izao. Handray anjara amin’izany ny SCB Besarety, ny UAS Cheminots, ny Edo, ny Madecasse sy Andavamamba ary ny faritra Atsimo […]

Lalao Olympika ho an’ny sembana : tsy manana solontena ny Malagasy

J-7 amin’ny fanombohan’ ny lalao Olympika, natokana ho an’ireo atleta manana fahasembanana (Jeux paralympiques 2024), hatao any Paris France, anio. Fihaonana hatao ny 28 aogositra ka hatramin’ ny 8 septambra ho avy izao. Mijanona ho mpitazana ny Malagasy amin’ity fa tsy manana solontena. Tsy nahazo ny fanasana manokana “wild card” […]