Nisy ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety nampahafantarana ny mahakasika ny fampisehoana ho ataon’i Franglish eto Madagasikara. Hiavaka ary tena goavana ny fampisehoana, araka ny nambaran’ny mpikarakara. Hanatanteraka fampisehoana lehibe eny amin’ ny Lapan’ny Kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina, ny 22 septambra 2024, i Franglish. Teratany frantsay mpanakanto izy, ary […]
Other News
Lalam-piofanana elektronika : Sakana ho an’ny mpianatra ny tsy fahafahana mividy fitaovana
Misedra olana maro ny mpianatra eny anivon’ny Oniversitem-panjakana polytechnique vontovorona eo amin’ny lalam-piofanana elektronika, noho ny tsy fahampian’ny fitaovana samihafa ilaina amin’ny fanaovana fikarohana. Eo koa ny tsy fananana laboratoara manaraka ny fenitra sy ny vanim-potoana. Anisan’ny olana sedrain’ ireo mpianatra manaraka ny lalam-piofanana elektronika, eny amin’ny Oniversitem-panjakana polytechnique Vontovorona, […]
FANTINA sy FINTINA
Voalohany no nandrotsaka kandidà ho filohan’ny vaomieran’ny Vondrona afrikanina i Madagasikara, araka ny nambaran’ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Rasata Rafaravavitafika, teny Anosy, afakomaly. Manana traikefa Randriamandranto Richard, minisitry ny Toekarena sy ny fitantanam-bola sy minisitry ny Raharaham-bahiny teo aloha. Mahafeno fepetra izy, fa efa niasa ela teo anivon’ny Comesa. Solontena folo […]
Safidy-momba ny fifidianana : “Mila fanazavana sy fanofanana ny olom-pirenena”
“Tamin’ny fifidianana 2019, fifidianana roa no nokarakaraina: ben’ny Tanàna, mpanolotsain’ny Tanàna. Ao anatin’ny lalàna lany tamin’ny desambra 2023, lisitra no havoakan’ireo mpirotsa-kofidina amin’ity fifidianana manaraka ity. Ny kandidà no mitarika izany, ary aoriany ny filankevitry ny kaominina.” Io ny fanazavan’ny mpitondra tenin’ny Sampana anaraha-maso ny fifidianana, ivon’ny demokrasia ifarimbonana (Safidy), […]
Tsy azo atao tandrevaka
Roa volana izao no nanjavona tsy hita ny Lehiben’ny delegasiona manokan’ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Tsy hita popoka ilay ranamana izay noheverina fa niangaran’ny vintana sa tena nanam-bintana raha samy tandapa. Tsy misy vaovao ofisialy momba azy kanefa dia vanim-potoana tena ilana azy indrindra izao. Lasa mihazoazo ilay fitantanana ny […]






