Other News

Praiministra Ntsay Christian: “Maika ny fampiakarana ny fahefa-mividin’ny vahoaka”

Namelabelatra ny fanatanterahana ny Politika ankapoben’ny fanjakana (PGE) teny Tsimbazaza, omaly, ny praimini­sitra Ntsay Christian. Nambarany tamin’izany ny laharam-pahamehana. Anisan’ny ampahany amin’ ny fanoloran’ny lehiben’ ny governemanta ny PGE ny famoronana asa. “Eo koa ny fampiakarana ny harin-karena faobe. Ny fampihenana ny fahantrana sy ny fanatsarana ny fahefa-mividin’ny mponina ary […]

Kianja Barea: 40 nisitraka fiofanana tamin’ny Caf

Nofaranana tamin’ny fomba ofisialy omaly, teny amin’ny Kianja Barea Mahamasina, ny fampiofanana eo amin’ny lafiny fandriampahalemana, izay karakarain’ny Caf. Miisa 40 ireo tomponandraikitra isan-tsokajiny nahazo fiofanana tamin’izany. Anisany ny teo anivon’ny Federasiona malaga­sin’ny baolina kitra (FMF) sy ireo tomponandraikitra ao amin’ ny klioba 16 mandrafitra ny Cfem ary ny zandary […]

Vaovao tambatra

Mihena iray metatra ny haavon’ny rano any Andekaleka, miantoka betsaka ny herinaratra mamatsy ny tambajotra iraisan’Antananarivo (Ria). Mahatonga izany ny vanim-potoan’ny maintany, ka tsy maintsy ahena ny tosiky ny rano ahafahana mameno ny tohodrano manosika ny milina mamokatra herinaratra any Andekaleka, Mandraka ary Antelomita. Hitohy ny delestazy, noho izany, omaly […]