Hitohy any Moramanga indray ny seho an-tsehatra hotanterahin’ireo mpilalao tantara amin’ny onjampeo, Iray Fy’Art. Hotanterahina ao amin’ny Tranoben’ny serasera, Mangoro Ambohibary, Moramanga izany, ny alahady 25 aogositra izao, hanomboka amin’ny 2 ora tolakandro. Hoentin’izy ireo an-tsehatra amin’izany ny tantara maneho ny fiainana andavanandro sy ny fifanjevoan’ny resa-pitiavana ary koa ny […]
Other News
Atrikasa sary varatava: tanjona ny zavakanto tsara kalitao
Tontosa omaly, teny amin’ny ivontoeran’ny kolontsaina malagasy (IKM) Antsahavola, ny atrikasa nokarakarain’ny fikambanana Varatava. « Amener la ressemblance à nos portraits », ny lohahevitra novoizina nandritra ity atrikasa ity. Hetsika tafiditra ao anatin’ny « Iray volan’ny varatava ». Tanjon’ny hetsika ny hanomezana sehatra ireo mpikambana eo anivon’ny fikambanana sy hampivelarana ny tontolon’ny sary eto […]
« Jazz Quartier »: tanjona ny hampahafantatra ny Jazz amin’ny rehetra
Hitohy anio, amin’ny alalan’ny « Jazz Quartier » ny « Festival Jazz tohatohabato » andiany faha-13. Miainga amin’ny 9 ora maraina eo anoloan’ny Lapan’ny Tanàna Analakely, mandalo an’Ambohidahy, Anosy, Andavamamba, 67ha, Antanimena, Tsaramasay, Analamahitsy ary hifarana eny Sabotsy Namehana izany hetsika izany. Mpanakanto mpiangaly Jazz maro no hifandimby hanafana ny sehatra mandritra izany. Fiarabe […]
Noho ny « kolo saina maoderina »: nanjary mora fitahina ny Malagasy
Tahaka ny vatana mila koloina sy omena sakafo sahaza azy ny saina. Nanana amby ampy tamin’ireny ny Malagasy fahiny… Amin’izao vanim-potoana izao, nisy ny fiovana noho ny antony maro. Iray amin’ireny ny tantara. Nanana ny fiantraikany tamin’ny Malagasy izany ! Fitaizana, fanabeazana… Samy sehatra lehibe hoenti-mikolo ny saina. Ho an’ny Malagasy, […]
Indray mijery
Loza mitatao ho an’ny tanora ny fihanaky ny tsimokaretina VIH/Sida. « Tokony ho tonga saina izy ireo satria ahitana taha ambony amin’ny olona mitondra ny tsimokaretina ny Oniversite », hoy ny minisitry ny Fahasalam-bahoaka. Manao hetsika manokana ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka amin’ny fanentanana hisorohana ny fiparitahan’ny valanaretina. Hisantatra ny taom-pianarana vaovao, 2024-2025, ny […]






