Other News

Trafika harena voajanahary : Lehilahy iray nosamborina teny amin’ny seranan’Ivato

Malagasy iray, anisan’ny atidoha mpikotrika fitrandrahana antsokosoko harena voajanahary no tra-tehaka teny amin’ny seranan’Ivato. Efa ela nokarohina izy ity amin’ny resaka fandikan-dalàna. Anisan’ny mpitarika tambajotran-jiolahy mpitran­draka sy mpanondrana antsokosoko harena voajanahary ity lehilahy ity. Anisan’ izany ny sokatra, ny raharaha fa­motsiam-bola sy kolikoly. Voasambotra teny amin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato ny […]

Fanamboarana basy: Lehilahy roa naiditra am-ponja

Naiditra vonjimaika am-ponja, ny 31 marsa 2026 lasa teo, ireo lehilahy miisa roa, taorian’ny fampiakaran’ny fampanoavana ny raharaha teny anivon’ny fitsarana. Tompon’an­toka tamin’ny fihazonana sy fanamboarana basy vita gasy izay tsy ara-dalàna tany Atsi­montsena, Tsiroanomandidy, izy ireo. Raha tsiahivina, nahatrarana fitaovam-piadiana (ba­sy) mahery vaika maro karazana tao amin’ny tokantranon’olona iray […]

Ambatofinandrahana : Olona 89 tratran’ny fahapoizinana

Notazomina ao amin’ny hopitaly, manaraka fitsaboana, ny 15 tamin’ireo olona 89 tratran’ny fahapoizinana ara-tsakafo tao Ambatofinandrahana, omaly. Nihinana sakafo masaka tao amin’ny fiangonana iray ao an-toerana ireo olona ireo, ny alahady 29 marsa lasa teo. Taorian’io, nanomboka nirohotra nihazo ny toeram-pitsaboana ireo olona voalaza fa nihinana « composé ». Noraisin’ny mpitsabo an-tanana […]

Nifamonjena saingy tsy avotra: Zazavavy 2 taona latsaka tanaty rano namoy ny ainy

Nifamonjena tao anatin’ny dobo fanondrahana voly, namoy ny ainy, ny zazavavy iray vao 2 taona sy 3 volana monja, tao Ankazobe, ny talata 31 marsa teo. Vatana mangatsiakan’ilay zazavavy vao 2 taona monja hany sisa azon’ny fianakaviany tao anatin’ny dobo iray, tao amin’ny fokontany Antsampanimahazo, kao­minina Miantso, distrikan’Ankazobe, afakomaly. Nen­tin’ny […]