Vita soa aman-tsara ny fifidianana izay ho mpikambana anatin’ny birao maharitry ny Antenimierampirenena. Araka ny efa nampoizina, izay tanaty ny lisitra nivoaka teny amin’ny Arena, Ivandry, ihany no nisafidianana sy nolaniana. Maty paika sy tsara rindra ny fametrapetrahan’ny filohan’ny Repoblika ny fototry ny sezany. Mandeha araka ny zotra iheverany […]
Other News
Antenimierampirenena : voafidy ho filoha i Tokely Justin
Niroso tamin’ny fifidianana ireo handrafitra ny eo anivon’ny birao maharitra ireo depiote, omaly. Nisantarana izany ny fifidianana ny ho filohan’ny Antenimierampirenena sy ireo filoha lefitra isam-paritany. Nofidin’ireo solombavambahoaka miisa 160 niatrika ny fivoriana azon’ny besinimaro atrehina ho filohan’ny Antenimierampirenena i Tokely Justin, tamin’ny fifidianana natao teny amin’ny Lapan’i Tsimbazaza. Miisa […]
TSELATRA
Tratran’ny zandary ilay jiolahy tompon’antoka tamina fanolanana vehivavy lehibe tsy salama saina tao Mahitsy, kaominina Ambohitrimanjaka, ny 26 jona 2024 lasa teo. Norahonany ho faty anefa ity ramatoabe ity mba tsy hitantara amin’olona ny herisetra nataony. Tsy nahasakana azy tsy hitantara anefa izany noho izy nahatsiaro naharary. Niaiky ny heloka […]
Nahafaty ny adjidà Noara: lavon’ny balan’ny zandary i Jarivo
Maty rotiky ny balan’ny zandary, omaly, rehefa nokarohina nandritra ny enin-taona ny dahalo raindahiny antsoina hoe Rajaonarivo Edmond na i Jarivo, monina ao Befanihy Andrefana, fokontany Ampondravelona, kaominina ambanivohitr’i Maroadabo Andilamena. Araka ny fanazavan’ny kaomandin’ny vondron-tobim-paritra Andilamena, ny kapiteny Tobiasy, anisan’ireo tompon’antoka namono sy nitetika ka nahafaty ny adjidà Noara […]
Ilaivola-Ivato: tratra ilay ramatoa nampijaly zana-bady
Nosamborin’ny mpitandro filaminana ny vehivavy iray nidaroka sy nampijaly ny zana-badiny tao amin’ny fokontany Ilaivola, kaominina Ivato, distrikan’Ambohidratrimo, ny alarobia 10 jolay teo. Niantso vonjy tamin’ny mponina manodidina mpiray vodirindrina aminy ny zazavavy iray. Mangana avokoa ny mason’io zaza io ary nahitana ratra ny faritry ny vatany. Tsy nisy olon-kafa […]






