Other News

Hafatry ny eveka : mba ho tombontsoan’ ny rehetra ny serasera

Namoaka hafatra tamin’ny fanamarihana ny Andro maneran-tany faha-58 momba ny fifandraisan’ny mpiara-belona ny eo anivon’ny Fivondrona­mben’ny eveka (Fem). Na­maky ny hafatra tamin’izany ny filohan’ny vaomieran’ny fifandraisana, Mgr Rabema­hafaly Fulgence. “Tokony ham­piasaina ho amin’ny tombontsoan’ny fianakaviana sy ny rehetra ny fitaovan-tserasera”, hoy izy. Notanterahina tetsy Analakely, teo amin’ny fivarotam-boky Md Paoly, […]

Fanakaikezana vahoaka : nizara bokin-dalàna tany am-piangonana ny fitsarana

Mitohy ny fampahafantarana ny lalàna tanterahin’ny minisiteran’ny Fitsarana. Tafiditra amin’ny fanatsarana ny fomba fiasa eo anivon’ny tontolon’ny fitsarana izany. Notanterahina, ny herinandro teo, tao amin’ny FJKM Ziona Vaovao Mahajanga, ny fanapariahana ny lalàna. Nitarika izany tany an-toerana sady niara-niombom-bavaka tamin’ireo kristianina ny minisitry ny Fitsarana, Randriamanantenasoa Landy Mbolatiana. “Natao izao […]

Angovo azo havaozina: hamokatra herinaratra ny Marea

Tafiditra ao anatin’ny politikam-panjakana ny fampiroboroboana ny tahan’ny famokarana sy fisitrahana herinaratra eto Madagasikara izay ho tonga hatrany amin’ny 800 MW ka avy amin’ny angovo azo havaozina ny 70% amin’izany. Nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy ny alakamisy teo, teny amin’ny «Birdy» Galaxy Andraharo, ireo mpisehatra matihanina sy mpamokatra angovo azo havaozina […]

Fampandrosoana : hampidi-bola hatrany amin’ny 40 miliara Ar ny Miami

Hampitombo ny toekaren’ny mponina sy ny tanànan’i Toamasina ary hampiakatra avo ny sehatry ny fizahantany ao an-toerana ny Miray Hina ary Mifankatia (Miami). Hampidi-bola hatrany amin’ny 40 miliara Ar ity fotodrafitrasa nandrasan’ny maro ity. Tanteraka ny fanamby! Notokanana tamin’ny fomba ofisialy ny sabotsy teo ny Miray Hina ary Mifankatia (Miami) […]

DAKA AN-JORONY: kitranotranon’ankizy no vitan’ny lambalamba

Taranja malaza indrindra eto amin’ity planeta tany ity ny baolina kitra. Raharaham-pirenena mihitsy izy ity ho an’ny ankamaroan’ireo fanjakana any ivelany. Porofon’izany, rehefa resy ny ekipam-pirenena, misavoritaka hatrany amin’ny governemanta rehetra. Raha mibata amboara, miditra an-tsehatra hatramin’ny filoham-pirenena. Marina ilay fitenenana hoe : «Salama ny firenena rehefa mandeha ny baolina kitra». […]