Mitarika vonjimaika amin’ny fironan’ny voka-pifidianana avoakan’ny Ceni ny kandidà tsy miankina sady depiote am-perinasa, Randrianasolo Jean-Nicolas, ao amin’ny distrikan’i Betroka, faritra Anosy, araka ny nambarany. Matoky ny Ceni foibe sy ny HCC izy, ary miandrandra ny hisian’ny fitoniana. Manaitra sy miantso ny mpisehatra rehetra tamin’ny fifidianana depiote amin’ny fitandroana ny […]
Other News
Faritra Sava : nomena fitaovana ny Hotel des finances
Notanterahina ny faran’ny herinandro teo, tany Sambava, faritra Sava, ny fitokanana ny efitrano ho an’ny kajy mirindra, ao amin’ny Hotel des finances ao an-toerana. Fitaovana momba ny haitao ara-kajy mirindra maro samihafa no natolotra tamin’izany, niaraka amin’ny efitrano, izay avy amin’ny fitarihan’ny Institut national de développement Local (INDDL), notohanan’ny USAID […]
Tsy tan-dalàna
Hosoka, hala-bato… Izany no ifandroritana eo amin’ny tontolo politika amin’izao. Mandeha avokoa amin’izany ny karazana fanoherana, fikomiana, tsindry… Fanaratsiana sy fampitahorana ary fanakorontanana fotsiny izao aza ny an’ny sasany. Ho tonga hatraiza? Misy tsy mahay mijery na tsy mahita afa-tsy lafiratsin-javatra: manahy tena fa tsy manantena amin’ny voka-pifidianana depiote? […]
Famoahana voka-pifidianana: isaky ny biraom-pifidianana no angatahin’ny KMF/Cnoe
Ny fitoniana sy filaminana no angatahina amin’ny rehetra, amin’izao ankatoky ny fivoahan’ny voka-pifidianana izao. Samy naneho hevitra ny kandidà rehetra ary samy teny anivon’ny Ceni nanara-maso. Hamoaka ny voka-pifidianana vonjimaika ny Ceni rahampitso. Hanao ahoana? “Samy nandeha teny amin’ny Ceni ireo kandidà ho depiote. Samy milaza izy ireo fa misy ny […]
TSELATRA
Naratra mafy ny lehilahy iray nandeha bisikileta notrongisin’ny taxi-be teo Soanierana, omaly tolakandro. Mafy ny fifandonana satria tafatsofoka tao ambany fiara mihitsy ilay bisikileta. Nipitika ihany koa ilay lehilahy nitondra azy. Naratra mafy izy ka voatery nentina haingana namonjy toeram-pitsaboana. Tonga teny an-toerana ny polisy nanao fanadihadiana. Tapaka nandritra ny […]






