Other News

Andro maneran-tany ho an’ny poezia: Miha tanora hatrany ny mpanoratra

Tsy manakana ny mpanoratra tsy hanakorisa ny peniny ny fahalaindainan’ny Malagasy hamaky boky. Tsy voatery ho boky rahateo no ahafahana mianoka ny hakanton’ny soratra (poezia, tononkalo, tantara…), amin’izao vanim-potoana izao. 21 marsa, «Andro ma­ne­ran-tany ho an’ny poezia», araka ny nambaran’ny Sam­pandra­ha­rahan’ny Firenena mikambana misahana ny kolontsaina sy ny fanabeazana (Unesco). […]

Fanamboarana zavamaneno: Itokisan’ireo mpanakanto ny talentan’i Hery Glita

Mihoatra lavitra noho ny vita avy any ivelany. Ankavitsiana ny Malagasy mpanamboatra zavamaneno nametrahan’ireo mpanakanto fitokisana toa an’i Hery Glita. Tsy mba nisehoseho fa tao ambadiky ny mpanakanto tao foana, saingy asongadin’ny talentany teny izy. Hafa ny fahaiza-mitendry… Mbola talenta hafa noho ny hafa koa ny fahaizana manamboatra zavamaneno. Tena […]

SOMBIM-BAOVAO

Araka ny fanadihadiana natao omaly, hisy fifaninanana goavana amin’ny taranja rugby indray handeha eny Ankatso, ny alahady ho avy izao. Ny fikambanan’ny tanora AJS Mada no mikarakara ity hetsika ity eny an-toerana. Raha ny fantatra dia lalao miisa fito eo no handeha amin’io fotoana io. Tsiahivina fa efa nisy ny […]

JJB-« Grand Open » : Hafana ny andiany fahatelo

Hotanterahina ny sabotsy 5 avrily izao, eny amin’ny Kianja mitafo Ankoay Anko­rondrano, ny andiany faha-3 amin’ny fifaninanana “Grand Open de Mada”, taranja Jiu-Jitsu breziliana. Fifaninanam-pirenena voalohany, ho an’ny taona 2025 ity fifaninanana ity, izay misokatra ho an’ny klioba rehetra manerana ny Nosy. Ny klioban’ny “Club 101 Jiu-Jitsu” no mikarakara ny […]

Somalie sy Guinée: Malagasy no hitsara ny lalaon’izy ireo

Hotanterahina ny sabotsy 22 marsa, ao amin’ny Kianja Olympique Alassane Ouattara d’Ebimpé, ny lalaon’i Somalie sy i Guinée. Fihaonana tafiditra amin’ny andro fahadimy amin’ny fiadian-toerana ho an’ny “Mondial 2026”, sokajy “G”, taranja baolina kitra faritr’ Afrika. Fantatra fa Malagasy mirahalahy no hitsara ny fihaonan’izy ireo dia Rakotojaona Andofetra Avombitana sy […]