Other News

Dih’Art : Mankalaza ny faha-25 taonany

Ao anatin’ ny fankalazana ny faha-25 taona nijoroany amin’izao ny Dih’Art Madagascar, toeram-pampianarana mandihy, tarihin-dRandrianarisoa Rijamanitra. Ho fanokafana izany, hisy ny fiarahana voalohany, ny 1 mey izao, ao amin’ny Studio Dih’Art eny Antanimena. Ireo rehetra mpikambana, ray aman-dreny sy izay rehetra efa nandalo tao amin’ny Dih’Art no asaina amin’izany, raha […]

Rugby – Top 12: Hanala vela amin’ny Cosfa ny TFA Anatihazo

Hitohy amin’ny alahady 3 mey ho avy izao ny fiadiana ny fifanintsanana hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja rugby «Top 12». Toy ny mahazatra, hampiantrano izany ny Kian­ja Makis Andohata­pe­naka. Anisan’ny fihaonana andrasan’ny rehetra ny fihaonana eo amin’ny Cosfa (Be­baoty) sy ny TFA Anatihazo (Pilo kely). Hanala vela amin-dry zareo […]

Filazantsara an-kira : Manohy ny lalany ny tarika Andon’ny Natiora

“… Sady hihira am-panahy no hihira ara-tsaina koa aho” (I Korintiana 14: 15 b). Teny filamatra ho an’ny tarika An­don’ny Natiora, izay nijoro tamin’ny taona 2014, tao Fort-Dauphin io. “Andon’ny Na­tiora, anarana nosafidianay, entina milaza fa hatramin’ny zavaboahary kely sy bitika indrindra aza dia manana ny anjara asany ho amin’ny […]

Taorian’ny fahamaizana : Harenina ny Rovan’ Ambohidratrimo

Ny fanjakana no handray an-tanana ny fanarenana ny Rova may. Nisy ny fiaraha-midinika tamin’ireo taranaka eny an-toerana sy ireo mpitan-kasina isan-tsokajiny, ho an’izay fanarenana izay. Fahavalon’ny vakoka ny afo. Indrisy, niharan’ny fahamaizana ny Rovan’i Marovatana, eny Ambohi­dratrimo, ny alin’ny alahady hifoha alatsinainy teo. Avy hatrany dia nandray ny fepetra manoloana […]

Karaman’ny sehatra tsy miankina: Tompon-teny farany ny fanjakana

Andrasana ny 1 mey fara-fahatarany ny didim-panjakana hametra ny karama farany ambany ho an’ny fandraisana mpiasa (SME) eo anivon’ny sehatra tsy miankina. Tsy mbo­la voafaritra ny fiakarana, tsy mbola fantatra ihany koa ny fanapahan-kevitra nifanarahan’ireo mpisehatra voakasika. Mbola naverina nodinihina ilay fanapahan-kevitra tapaka nandritra ny dinika natao tamin’ny volana febroary. […]