Hivahiny ao amin’ny “Sabotsy mifankahita” ny tarika Telofangady. Fandaharana manokana ao amin’ny fahitalavitra RTA izy ity, izay hanomezana sehatra ireo Malagasy mpanakanto sy ny sanganasany. Anjaran-dry Haja sy ny tariny indray ny mizara ny kantony sy ny mombamomba azy ny sabotsy izao, manomboka amin’ny 9 ora sy sasany maraina. Hitohy […]
Other News
Fampivelarana ny kolontsaina : mila hamaroina ny fifaninanana zavakanto
Iray amin’ireo firenena manana kolontsaina sy zavakanto mahaliana izao tontolo izao i Madagasikara. Tsy ampy trandraka anefa izy ireny. Mila mikaroka paikady hoenti-manampy ny fivelaran’ny kolontsaina ny isan-tsehatra ! Any amin’ireo firenena ivelan’i Madagasikara, miraradraraka ny karazam-pifaninanana eo amin’ny tontolon’ny zavakanto. Anisan’izany ny soratra, ny sarimihetsika, ny hosodoko, ny dihy, […]
Rasoamaromaka Hery : “Tsy maharesy lahatra vahoaka ny paikadin’ny mpanohitra”
Ho tonga hatraiza ny fanoherana ny voka-pifidianana depiote etsy sy eroa amin’izao? Tsy maharesy lahatra ny vahoaka hatramin’izay ny paikadin’ny mpanohitra, raha ny nambaran’ny sekretera nasionalin’ny antoko TGV. Fanehoan-kevitra… “Tsy maharesy lahatra ny vahoaka hatramin’izay ny paikadin’ny mpanohitra”, hoy ny sekretera nasionalin’ny antoko TGV sady governoran’ny faritra Analamanga, Rasoamaromaka Hery, […]
Korea- Madagasikara: hiara-hiasa eo amin’ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany sy ny fambolena
Nisy ny fifanaovan-tsoniam-piaraha-miasa eo amin’i Madagasikara sy Korea, nandritra ny fihaonana an-tampony Korea-Afrika. Anisan’izany ny mahakasika ny harena an-kibon’ny tany, eo koa ny fampiroboroboana ny fambolena. Maro ny fifanarahana eo amin’ny firenena roa tonta, mandritra izany fiaraha-miasa izany. Anisan’ny vokatsoan’ny fihaonana antampony Korea-Afrika izao. Raha tsiahivina, mifanindran-dalana amin’ny Politika ankapoben’ny […]
Vovonana IRMAR: “Aoka samy ho tony!
Misokatra ho an’ny rehetra, indrindra ireo kandidà, ny fahafahana manamarina sy manao fampitoviana ireo fitanana an-tsoratra eny amin’ny Ceni Alarobia. Anisan’ny nijery ny zotram-pikirakirana ny vokatra teny an-toerana ireo kandidà avy amin’ny vovonana Irmar. Nanatanteraka fidinana ifotony, teny amin’ny foibe toeran’ny Birao mahaleo tena misahana ny fifidianana (Ceni), teny Alarobia, […]






