Notanterahina tatsy Maurice, ny faran’ny herinandro lasa teo, ny fiadiana ny ho tompondaka amin’ny taranja lomano fanao amin’ny andro ririnina. Nandray anjara tamin’izany ny Malagasy, tamin’ny alalan-dRabejaona Holy Antsa. Nisongadina ny zava-bitany satria nandrombaka medaly volamena telo, tamin’ireo fihaonana natrehiny izy. Anisan’izany ny teo amin’ny 100 m lomano tsotra, tontosany […]
Other News
“Pureplay football league” (PFL) : hatao ny 13 sy 16 jona ny manasa-dalana
Haroso ny lalao manasa-dalana hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra (Pureplay football league 2024). Ekipa efatra no hiady lohany amin’izany. Nambaran-dRakotoarimanana Henintsoa (Tôta), filohan’ny Club de football Elite de Madagascar (CFEM) fa tsy maintsy haroso ny fanatanterahana ny manasa-dalana hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, “Pureplay football league (PFL […]
Akademia Malagasy: hisy famoronana lahatsoratra
Amin’ny alalan’ny fifaninanana no hanatanterahina famoronan-dahatsoratra. Tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny « Iray volan’ny teny malagasy » no hanatanterahin’ny Akademia Malagasy ity hetsika ity. Lohahevitry ny fifaninanana ny hoe : « Ny teny malagasy, sompi-pahendrena ». Mamorona lahatsoratra mitantara fohy ny niavian’ny anaran-tanàna roa na anarana olo-malaza roa na anaran-tanana iray sy olo-malaza iray ny […]
UPFANKATIA : fahazoana olon-tiana anaty fandaharana televiziona
Sambany ho arahin’ny mpijery ny fandaharana tantara tena misy amin’ny televiziona, ilay antsoina hoe « téléréalité ». Hifaninana hahazo ny fon’ny tovolahy iray ny tovovavy miisa 12. Manana tolotra vaovao ho an’ny mpifankatia indray ny Startimes sy ny UPTV. Misy ny fandaharana «Upfankatia», mahakasika fitiavana aseho amin’ny televiziona. Vehivavy miisa 12 no […]
“Revy revy mody masoandro” II: ho tafaraka indray ry Mahaleo sy ry Lolo sy ny tariny
Tsy fitaka akory ny lohateny… Efa raikitra fa hotontosaina ny 28 jolay izao, ny “Revy revy mody masoandro” andiany faharoa. Eny amin’ny Parking CCI ivato ihany no hanaovana izany. Mbola hiverina hanafana ny fotoana i Samöela sy ny tarika Mahaleo, izay efa nanao tamin’ny andiany voalohany. Ho avy hanatevin-daharana azy […]






