Nezahin’ny mpitsabo navotana, lehilahy iray namoy ny ainy tao Mananjary, afakomaly. Nifatotra tamin’ny tady ny tendany. Maty tsy tra-drano ny raim-pianakaviana iray 41 taona tao amin’ny fokontany Ambatolambo, kaominina Mananjary, afakomaly. Nihantona tamin’ny tady tao amin’ny trano fonenany izy ny marain’io alahady 19 mey io. Niezaka namonjy azy ireo nanatri-maso. […]
Other News
Fifanakalozana ara-barotra: fifanarahana eo amin’ny UE sy Madagasikara
Manondrana vokatra betsaka mihazo ny Vondrona eoropeanina (UE) i Madagasikara raha oharina amin’ny fanafarana. Nampahafantatra izany ireo tomponandraikitra samihafa nandritra ny herinandron’i Europa teo. Novakina bantsilana ny momba ny fifaranarahana ara-toekarena eo amin’ny firenena roa tonta. Nampahafantarin’ny solontenan’ny minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra ary ny fanjifana nandritra izany […]
Minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana: nahazo karatany ny any Alaotra Mangoro
Nitohy ny faran’ny herinandro teo ny hetsika fizarana karatany faobe sy titra ho an’ny any Alaotra Mangoro, tanterahin’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany. Nitarika izany tany an-toerana ny minisitra Andriantsitohaina Naina. Anisan’ny nisitraka izao hetsika izao ny tao amin’ny distrikan’Ambatondrazaka. Teo ny fizarana karatany miisa 1 164 ho […]
BFM : Vakoka mitahiry ny vola malagasy
Nifarana ny zoma teo ny fampirantiana maimaimpoana nataon’ny Banky foiben’i Madagasikara (BFM) ho fampahafantarana ny tantaran’ny vola malagasy. Hetsika izay tafiditra amin’ny famaranana ny fankalazana ny faha-50 taonan’ ny BFM tetsy Analakely. Ny taona 1896 ka hatramin’ny 1925, ny vola Eoropeanina sy Amerikanina no nampiasaina teto Madagasikara. Nofaritana tamin’ny taona […]
Filoha Rajoelina Andry: “Hipaka any an-tokantrano ny fampandrosoana…”
Taorian’ny tany amin’ny distrikan’Ikongo sy i Betroka, nitohy tany Manakara indray ny fitokanana fotodrafitrasa sy fanampiana ny vahoaka nataon’ny filoha Rajoelina Andry. Nambarany tamin’izany ny fanamby apetraky ny fitondram-panjakana. “Hitondra fampandrosoana eny ifotony isika ary tena mipaka hatrany amin’ireo kaominina sy ny tokantrano tsirairay izany”, hoy izy tao Manakara. Nisy […]






