Other News

Fetin’ny Pantekoty : nomarihin’ny maro tamin’ny fivavahana sy fiaraha-mifety eo anivon’ny tokantrano

Marihina sy an­ka­lazaina isaky ny alahady fahafito aorian’ny fe­tin’ny Paka ny Pantekoty. Ahatsia­rovan’ny fiangonana ny filatsahan’ny Fanahy Masina tamin’ireo apostoly izany. Ani­san’ny mankalaza io fety io ny fiangonana katolika sy ny protestanta (FJKM) (FLM). Toy ny mahazatra, nandeha nivavaka nankalaza ny fetin’ny Pantekoty tany am-piangonana avokoa ny mpino tsirairay ny […]

FANTINA sy FINTINA

Namory ny eo anivon’ny OMC Diana ny praiminisitra, Ntsay Christian, ny faran’ny herinandro teo. Nanteriny fa ilaina ny ipetrahan’ny filaminana sy fitoniana amin’izao hiatrehina ny fifidianana izao. Eo koa ny fepetra noraisina momba ny jono tsy ara-dalàna sy ny fiondranan’ny harem-pirenena antsokosoko. Nampihaona amin’ny alalan’ny adihevitra ireo kandidà hofidina depiote […]

Tsy fanarahan-dalàna amin’ny propagandy : manaitra ny HCC sy ny Ceni ny KMF/Cnoe

Manaitra ary mitaky amin’ ny HCC sy ny eo anivon’ny Ceni mba handray ny andraikiny ny KMF/Cnoe. Mahatsi­karitra tsy fanarahan-dalàna izy ireo amin’izao vanim-potoan’ny fampielezan-kevitra izao. Nambaran’ny filoha lefitra eo anivon’ity fiarahamonim-pirenena manara-maso ny fifidianana ity, Rabekijana Felix, fa fandikan-dalàna tsotra izao ny fitokanana fotodrafitrasa ataon’ny filohan’ny Repoblika. “Voarara ary […]

Fa(ha)matorana politika

  Hanao ahoana ihany ny ho vokatr’izao fifidianana depiote izao? Eo ny vahoaka hoe tompom-pahefana sy tompon’ny teny farany handinika, hitsara, hanapa-kevitra. Azo anombanana izany ny fampielezan-kevitra? Samy manana ny fomba fiadiny ireo vondrona na vovonana politika mbamin’ny kandidà; eny, na ny tsy miankina aza. Izay hahazoana ny vaton’ny mpifidy […]

Fandalovan’ny rivodoza Gamane: tombanan’ny SADC ho 108 tapitrisa dolara no ilain’i Madagasikara

Anisan’ny firenena mila vonjy i Madagasikara, noho ny vokatry ny loza voajanahary. Heverina ho 108 tapitrisa dolara ny fanampiana ilaina taorian’ny fanadalovan’ny rivodoza Gamane. Nanao antso avo amin’ny maha olona ny SADC mba hamaliana ny fiantraikan’ny haintany vokatry ny trangana hafanana tafahoatra. Amin’izao dingana izao, tombanana ho 5 miliara dolara […]